Volo tapatapaka na vakivaky : Tsy tokony atao Brushing na ampiasàna Fer intsony
Marobe ireo mahatsikaritra "fahasimbana" amin'ny volo rehefa ririnina toy izao. Alaim-panahy nefa isika matetika "hanao volo" hahatsara azy kokoa.
"Tsy salama" ny volo rehefa lasa tapatapaka, vakivaky sy mihintsana. Amin'izany indrindra dia tsy mahazo aina mihitsy ka ny "manao volo" no hihazakazahana rehefa te hanao metimety. Azo atao tsara ny miditra "salon de coiffure", saingy "soins" tsy ampiasana hafanana aloha no atao.
Famaranana ny volo
Tsara kokoa raha anesorana ny loham-bolo, indrindra raha misy vakivaky. 1 hatramin'ny 3 santimetatra ihany no alàna amin'izany. Azo atao tsara ny manararoatra miova "coupe" raha te hisitraka endrika vaovao.
Tsara raha manao satroka bà amin'ny maraina sy hariva, mba tsy hanimba ny volo indray ny erika na rivotra mamirifiry.
Fitsaboana ny volo
Arakaraka ny tsy fahatomombanana mitranga no hisafidianana ny karazana vokatra ampiasaina. Amin'ny ankapobeny, "soin nourrisant" sy "soin hydratant" no tena ilain'ny volo : huile de ricin, huile d'olive, huile coco, sns. Tsara kokoa raha eny anivon'ireo toerana mpamatsy vokatra tena tsara kalitao sady tsy nalain-tahaka (authentique) no mividy ireo vokatra fikarakarana volo isan-karazany, na dia somary lafo aza.
Na dia tiana hitsotra sy hipetrapetraka tsara aza ny volo, ajanona mihitsy ny fampiasana Brushing na Fer à lisser/ à boucler mandritra ny 2 herinandro raha kely indrindra.Tsy azo heverina mihitsy ihany koa ny mandoko volo.
Fihinanana sakafo mety amin'ny volo
Maromaro ireo karazan-tsakafo mitondra singa mahatsara volo. Tena ilaina ohatra ny mihinana "protéines" izay hita amin'ny trondro, ny atody ary ny voamaina isan-karazany. Ilaina ihany koa ny sakafo mitondra Fer. Anisan'izany ny épinards sy ny hena mena. Tsy adino ny karazam-boankazo mahasalama ny volo, toy ny voasary sy ny frezy.