« Détatouage » na fanalana ny tombokavatsa : ireo tsara fantatra
Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : afaka esorina tokoa ve ny « tatouage » na ny tombokavatsa ? Ny valiny dia eny. Amin’ny alalan’ny « détatouage » no fomba famafana tanteraka na ny hampisindana azy ireny. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany ?
Inona no atao hoe « détatouage » ?
Ny « détatouage » dia fomba ara-medikaly iray hamafana, tanteraka na amin’ny ampahany, ny tombokavatsa, na koa hampisindana arak’izay azo atao azo io. Mety ilaina ny manao « détatouage » na manala ny tombokavatsa nohon’ny fahasarotana ara-pahasalamana, toy ny hoe tsy mahazaka ilay ranomainty nampiasaina tamin’ny nametaka azy. Afaka atao ihany koa moa izy io raha tiana esorina fotsiny ilay tombokavatsa.
Ahoana ny fizotry ny « détatouage » ?
Ny fampiasana « laser » no fitaovana ampiasaina amin’ny fanesorana na famafana ny tombokavatsa. Saratsarahan’ilay « laser » ireo loko ao anaty hoditra mba hamoahan’ny vatana azy ireny.
Mila « séances » maromaro moa ny fanaovana ity teknika ity ary misy masontsivana samihafa jerena alohan’ny hisafidianana ny karazana « laser » ampiasaina. Anisan’izany ny habetsaky ny loko nampiasaina, ny haben’ilay tombokavatsa, ny karazan’ilay hoditra… Ny loko toy ny mavo, maitso sy ny manga no tena sarotra fafana.
Raha tiana ho afaka tanteraka ny « tatouage » dia mila manao « séances de détatouage » maro. Atao mifanelanelana elaela ny fanaovana azy mba hahafahan’ny hoditra miavao sy hamerana ny fisian’ny holatra. Mazava ho azy fa mila olona matianina tsara ny manatanteraka ny « détatouage » satria saropady ny fanaovana azy sy ny fikirakirana ny fitaovana ampiasaina.
Ireo mety fahasarotana mitranga
Mandritra ny fotoana fanaovana ny « détatouage » sy ny andro vitsy aorian’ny nanatanterahana azy no mety misy ny fahasarotana, toy ny hoe :
-Manaintaina mafy ny « séances de laser » ka mety mila mampiasa « crème anesthésiante » hampitoniana izany ;
-Misy dianà rà ao ambanin’ny hoditra ary misy takopery miforona ;
-Mivonto na misy bontsindrano miforona ;
-Misy « réactions urticaires » na « allergiques » eo amin’ny faritra nisy ilay tombokavatsa ;
-Misy fikorontanana na fiovana eo amin’ny lokon’ny hoditra. Mety mandalo ihany izany nefa koa mety mitoetra ;
-Miova ny endriky ny hoditra sy ny holatra eo amin’ilay faritra nisy « tatouage ».
Tsy voatery mitranga moa ireo fahasarotana ireo fa miankina amin’ny lafin-javatra maro, toy ny karazan’ilay hoditra, ny karazana « laser » nampiasaina, ny toe-batan’ilay olona…