Résultat BEPC 2025 : Miandry fatratra ny voka-panadinana ny eto Antananarivo
Nanomboka ny sabotsy 5 jolay lasa teo ny famoahana ny Résultat BEPC 2025. Hatramin'ny androany alarobia 9 jolay, mbola tsy nivoaka hatreto ny valim-panadinana ho an'ny CISCO Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano.
Mitaintaina fatratra ireo mpiadina sy ray aman-dreny eto an-drenivohitra. Samy mbola tsy nahazoam-bokatra mantsy na ny CISCO Antananarivo Renivohitra, na ny CISCO Avaradrano, na ny CISCO Atsimondrano. Saika ireo toerana mihataka ny renivohitra no efa nahazo vokatra, toa an'i Ambatondrazaka, Ankazobe, Miarinarivo, Soavinandriana, Ambatolampy, Antsirabe sy Manjakandriana. Saika fa nivaly ihany koa ny fanadinana any amin'ny faritany, dia ny any Antsiranana, Nosy-Be, Sainte-Marie, Toliara ary Morondava. Nivoaka ny maraina teo ihany koa ny vokatra ho an'i Fianarantsoa.
Eo ho eo amin'ny 50 izany ireo CISCO efa namoaka voka-panadinana BEPC. Azo lazaina fa tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny. Ny tao CISCO Beloha Androy hatreto no nahitana ny taham-pahafahana ambany indrindra : 15,64%.
Fandaminana samihafa
Samy manana ny fandaminany avy ny avy eo anivon'ny CISCO tsirairay. Nisy ireo tonga dia nitsara ny taratasim-panadinana vao vita ny taranja iray. Tao kosa nefa ireo niandry ny fahavitan'ny fanadinana mihitsy vao niroso tamin'ny fitsarana. Andrasana amin'ny faran'ity herinandro ity ireo vokatra feno, manerana ny Nosy. Marihana hatrany moa fa tsy misy "note éliminatoire" ny BEPC. Na misy taranja tsy natrehina aza dia mety afa-panadinana hatrany rehefa tratra ny salan'isa (moyenne) farany ambany.
Fijerevana ny voka-panadinana
Azo atao tsara ny mandefa SMS amin'ny laharana 601, raha vao mampilaza ny fivoahan'ny voka-panadinana ao amin'ny CISCO nanalana fanadinana ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Azo atao ihany koa ny mitsidika ny tranokalan'io ministera io.
Ho an'ny "BEPC Seconde" manokana, tsy maintsy mijery peta-drindrina eny anivon'ireo "Centre d'examen" ny mpiadina na ny Ray aman-dreny.