• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Eno Laboratoire Codexial
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikarakarana ny tarehy rehefa ririnina mba tsy ho simba sy makiana

08/07/2025 14:19 © Moov.Mg

Resahana matetika ny fikarakarana ny tarehy rehefa vaninandro mafana mba ho fiarovana ny hodi-tava amin’ny vokadratsin’ny masoandro. Mila fikolokoloana ihany koa nefa izy io rehefa ririnina toy izao satria mety manimba azy ihany koa ny hatsiaka, ny rivotra sy ny herikerika. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra manampy hikarakarana ny tarehy rehefa vaninandro mangatsiaka.

Fikarakarana ny tarehy rehefa ririnina : manao « gommage » malefaka

Rehefa tratry ny hatsiaka sy ny rivotra mangatsiaka ny tarehy dia lasa makiana sy marefo. Mety heverina fa vao maika manimba azy ny fanaovana « gommage » raha efa maina sy marefo izy io. Tena ilaina nefa ity fomba fanadiovana ny tarehy ity mba hanesorana ireo loto sy sela maty miraikitra eo amin’ny hodi-tava ka lasa manentsina ny mason-koditra. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fandraisan’ny hoditra ny « masque nourrissant » na « hydratant » ampiasaina eo aminy ny fanaovana izany. Tandremana kosa mba « gommage » malefaka, toy ireo vita amin’ny akora natoraly, no safidiana.

Hamandinina tsara ny hodi-tava

Mba hikolokoloana ny fahasalamana sy ny hatsaran’ny hodi-tava rehefa ririnina dia hamandinina tsara izy io isan’andro, maraina sy hariva. Rehefa avy nodiovina tsara ny tarehy dia hosorana « soin hydratant ». Hosorana izany ihany koa ny tenda sy ny tratra. Maro ireo karazana vokatra natokana amin’izany hita eny amin’ny mpivarotra vokatra fikarakarana hoditra eny. Rehefa vaninandro mangatsiaka toy izao dia ireo vokatra natoraly, toy ny menaka zavamaniry no tena tsara ampiasaina.

Manjamaso sy « démaquillant » zakan’ny hoditra no ampiasaina

Ho an’ireo zatra mampiasa manjamaso dia tsara raha vokatra tsara kalitao, ary indrindra mifanaraka amin’ny karazan’hoditry ny tena no safidiana rehefa ririnina. Satria tokoa mantsy marefo kokoa ny hodi-tava dia mety ho lasa tsy dia mazaka « maquillage » toy ny mahazatra. Anisan’ny tsara atao ohatra ny fanoloana ny « fond de teint » vovony amin’ny karazany « crémeux » mba tsy ho vao maika hanamaina ny hoditra. Rehefa hariva dia « démaquillant » malefaka no ampiasaina hanadiovana ny tarehy.

Lire la suite

Articles Similaires