• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Aprr
Image
Madagasikara

Kodiaran-droa : ireo fitandremana hiarovana amin’ny loza

08/07/2025 11:21 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ny mpamily kodiaran-droa eto amintsika, na ny eto an-drenivohitra na ny any amin’ny faritany. Na dia misy aza ireo fepetra samihafa napetraka ho fanamafisana ny fiarovana amin’ny loza dia tsikaritra fa mbola maro ireo lozam-pifamoivozana nandratra sy nahafatesana mpitaingina kodiaran-droa. Mba hisorohana ny loza ary dia andeha ho fantarina ireo fitandremana mila atao rehefa mitondra kodiaran-droa.

Ireo anton-javatra mety mahatonga lozam-pifamoivoizana eo amin’ny kodiaran-droa

Sady mitondra fafinaretana no manala fahasahiranana ny fitondrana kodiaran-droa noho ireto farany afaka miala ny fitohanana lava reny eny an-dalana eny. Efa mila « permis » na taratasy fahazoan-dalana mamily ny fitondrana azy ireny eto amintsika. Na dia eo aza nefa ny fifehezana ny familiana sy ny « code de la route » dia mbola mety misy ihany ireo tsy fahampiana fitandremana na anton-javatra samihafa mety mahatonga lozam-pifamoivoizana. Anisan’izany ny :
-Tsy fahampiana « visibilité ». Kely tokoa mantsy ny kodiaran-droa raha oharina amin’ny fiara hafa ka ambony kokoa ny « risques » hahavoadoana azy, indrindra eo amin’ireo « angles morts » na rehefa mivily lalana ;
-Faharatsian’ny lalana, toy ny lavaka, dongona, fasipasika na vatokely eny amin’ny arabe… izay mety mampianjera ny mpitaingina kodiaran-droa raha tsy voatandrina ;
-Tsy fahampiana famalinan’ny mpampiasa arabe, toy ireo mpamily fiara variana mandray antso an-tariby, mandefa SMS… ka lasa tsy mahatsikaritra ny mpamily kodiaran-droa ;
-Tsy famalinan’ny mpamily kodiaran-droa, toy ny fiviliana lalana tampoka, tsy fijanonana rehefa tsy « prioritaire », mandeha mafy loatra ka lasa tsy tafijanona rehefa misy sakana na lasa tsy voafehy ny familiana ilay kodiaran-droa ;
-Fihenan’ny « facultés », ohatra raha nisotro toaka, nandray zava-mahadomelina, nihinana fanafody mampihena ny famalinana… ;
-Tsy fahampiana na tsy fisian’ny fitaovana fiarovana, toy ny « casque », « gants », « bottes »… izay mety mandratra mafy na mahafaty raha sendra mianjera na voadoana ;
-Faharatsian’ny toetr’andro, toy ny orana, rivotra be, zavona…Mety ho lasa malama ny lalana, mihena ny fahitana… ;
-Tsy fahampiana traikefa. Ireo mpamily mbola tsy zatra mamily eny amin’ny arabe dia mety hanao lozam-pifamoivoizana noho ny mbola tsy fifehezana ny familiana, ny « code de la route »…

Ireo fitandremana ho fisorohana ny loza eo amin’ny mpampiasa kodiaran-droa

Efa fantatra ary izao ireo anton-javatra matetika mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eo amin’ny mpampiasa kodiaran-droa, ‘ndeha kosa ary ho resahana ireo fitandremana atao mba hisorohana izany :
-Mampiasa fitaovana fiarovana
Isan’ny fomba voalohany manampy hisorohana ny ratra sy ny fahafatesana raha sanatria tratry ny lozam-pifamoivozana ny fampiasana ireo fitaovana fiarovana rehefa mitaingina kodiaran-droa. Ny « casque », « gants », « veste », sy « bottes » natokana ho an’ny mpampiasa kodriaran-droa dia mampihena ny « impact » ny fianjerana sy ny voadona eo amin’ny vatana.
-Fanajana ny « code de la route »
Fomba iray hafa hisorohana ny lozam-pifamoivoizana eo amin’ny mpamily kodiaran-droa ny fanajana ny « code de la route ». Sady mampilamina ny fifamoivoizana izany no miaro ireo mpampiasa ny lalana rehetra.
-Fanaovana « entretien » sy « inspections » matetitika ny kodiaran-droa
Tena ilaina tokoa ny manao « entretien » sy « inspections » matetika ny kodiaran-droa mba hampihena ny « risques de défaillances » na tsy fahatomombanana mekanika mety mitarika lozam-pifamoivoizana.
-Fadiana ny mamily rehefa tsy vory saina tsara
Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fifadiana mamily, na kodiaran-droa na fiara, rehefa tsy vory saina tsara. Izany hoe rehefa avy nisotro toaka, nandray zavamahadomelina, nihinana fanafody mampihena ny famalinana…

Lire la suite

Articles Similaires