Ankizy misy Hao : Tsy voatery tapahina ny volony !
Tsy mahamenatra ny hoe "misy hao" ny ankizy. Mora mifindra tokoa mantsy io bibikely io, rehefa mifanerasera amin'ny ankizy hafa, na any am-pianarana, na any am-piangonana na eny amin'ny fiaraha-monina.
Matetika dia ny hanapaka ny volon'ny ankizy foana no tonga ao an-tsaina voalohany rehefa hoe "misy hao". Vahaolana tokoa izany raha toa ka feno atodin-kao ny tahom-bolo. Atao izany izay hahafohy ny volo mba hanamoràna ny fanalana ny hao sy ny atodiny, satria tsy voatery hahafaka ny bibikely ny fanapaham-bolo amin'ny ampahany.
Ny torohevitra manaraka eto moa dia mikasika ny fanalana tanteraka ny hao, na dia tsy manapaka volo aza.
Zahàna ny hao
Mila mandany fotoana kely "mizaha" ny lohan'ilay ankizy misy hao. Ny tanjona amin'izany dia ny famonoana ireo hao mandehandeha sy ireo atody mipoaka. Soritana tsara ny volo mba hiavaka tsara izay mbola tokony zahana sy ny efa vita. Misy eny an-tsena ny karazam-pihogo fanalana hao. Mifanetihety kely ny nifiny ka manaraka avokoa na ny hao na ny atodiny.
Mba hanamorana ny fizahana hao, tsara raha sasana aloha ny lohan'ilay ankizy. Mety foana na savony tsotra aza no ampiasaina. Azo tapohina vinaigitra fotsy kely ny rano hanasana loha mba hahamora ny fanalana ny atodin-kao. Lemana ny loha amnin'ny rano misy vinaigitra ny loha sady asiana savony, ka avela hilona 15 minitra eo ho eo vao bangoina sy kobanina.
Mampiasa "shampoing anti-poux"
Misy tokoa ny "shampoing anti-poux" natokana ho an'ny ankizy. Misy singa tsy zakan'ny hao io fanasana loha io ka mamono ny bibikely sy ny atodiny. Tsara nefa raha sady bangoina ny volo rehefa sasana, mba hialan'ny hao. Ilaina ihany koa ilay fihogo fanalana hao mba hanala tanteraka ny hao sy ny atodiny.
Tsy voatery hadio tanteraka ny loha aorian'izany. Mila miomana izany amin'ny famerenana ny fanasana loha sy ny fanitsanana tanteraka ny hao sy ny atodiny.
Mitandrina ny fahadiovana
Raha efa maromaro ny hao velona hita amin'ny lohan'ny ankizy, mety efa misy bibikely ihany koa ny ondany na ny akanjony. Tsy maintsy diovina tsara araka izany na ny akanjo na ny satroka na ny fandriana sy ny lamba rehetra atorian'ilay ankizy misy hao.
Diovina avokoa ireo fitaovana fikarakarana volo rehetra, toy ny fihogo sy ny famatoram-bolo. Azo atao ihany koa ny mividy vaovao raha misy fahafahana. Tsara ny manamarika fa tsy tokony hifampindrana fihogo mihitsy, na dia mpirahavavy sy mpianaka aza.