• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Pototam
Image
Fahalalana Ankapobeny

Akora natoraly hikarakarana ny hoditra mandritra ny ririnina

05/06/2025 16:41 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia marefo sy mora makiana ny hoditra vokatry ny hatsiaka sy ny rivotra maina. Mba hiarovana azy tsy ho simba dia azo atao tsara ny mampiasa akora natoraly hikarakarana azy amin’ny fiainana andavanandro. Araho eto ary ny santionany amin’ireo vokatra natoraly manampy hikolokoloana ny hoditra rehefa ririnina.

Ireo karazana « gommages » malefaka sy manome sakafo ny hoditra

Mba hanesorana ireo « cellules mortes » sy hampiditra tsara ireo « soins » ao amin’ny hoditra dia ilaina ny fanaovana « gommages ». Maro ireo karazana « gommages » natoraly afaka ampiasaina rehefa vaninandro mangatsiaka toy izao. Anisan’izany ny :
-« Gommage » vita amin’ny sira sy menaka zavamaniry. Afangaro ny sira vovony 4 sotro fihinanana (na siramamy) sy ny menaka zavamaniry (menaka oliva, diloilo, amande douce) 2 sotro kely. Io fangaro io no ahosotra manao boribory eo amin’ny hoditra mando avy eo kobanina.
-« Gommage » tantely sy akondro. Potserina ny akondro 1 ary afangaro amin’ny tantely 2 sotro fihinanana sy siramamy 3 sotro fihinanana. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny hoditra mando mba hanadiovana azy sy hanomezana sakafo azy. Kobanina amin’ny rano matimaty.

Ireo vokatra « hydratants » natoraly mety amin’ny andro mangatsiaka

Araka ny voalaza teo ambony dia mora makiana kokoa ny hoditra rehefa vanim-potoana ririnina toy izao. Mba hanamandinana azy ary dia ireto manaraka ireto ny karazana « hydratant » natoraly tsara ampiasaina :
-« Lotion » ho an’ny hoditra vita amin’ny diloilo coco sy « beurre de karité ». Atsonika amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny « beurre de karité » 50g tsy mitapoka sy ny diloilo coco 30ml. Avela hangatsitsiaka kely avy eo kapohana amin’ny « fouet » mandrapahazoana fangaro « crémeuse ». Io vokatra io no ahosotra amin’ny hoditra mandomando rehefa avy mandro iny. Azo tehirizina mandritra ny 1 volana ity vokatra ity.
-« Lait corporel » vita amin’ny « lait d’avoine ». Amboarina aloha ny « lait d’avoine ». Atao anaty vera ny « flocons d’avoine » 2 sotro fihinanana ary asiana rano matimaty mandrakotra azy. Avela hilona 30 minitra avy eo tatavanina. Rehefa vonona ny « lait d’avoine » dia maka fatra 50 ml ary atao anaty lovia jobo. Tapohana menaka zavoka 25ml sy « cire émulsifiante » 5g. Atsonika amin’ny alalan’ny « bain-marie » ka rehefa mitsonika avokoa bataina teo ambony afo ary kapohana amin’ny « fouet » mandrapaharihitra azy. Ahosotra eo amin’ny hoditra mandomando rehefa avy mandro ity vokatra ity mba hanamandina sy hiaro azy.

Lire la suite

Articles Similaires