« Vernis » fanao amin’ny hoho : aiza no tsara hividianana azy ireny ?
Sady manatsara ny endriky ny hoho no miaro azy ireny ny « vernis à ongles ». Raha ny eto an-drenivohitra manokana moa dia ahitana mpivarotra azy ireny eny amoron-dalana rehetra eny ary dia mirary tokoa ny vidiny. Azo antoka nefa ve ireny « vernis » hamidy mora ireny ? Tsy atahorana misy fiantraikany ratsy ve ? Andeha ho fantarina eto ireo toerana tsara hividianana « vernis ».
Ireo toerana azo antoka hividianana « vernis » ?
Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia maro ireo toerana azo antoka afaka hividianana « vernis » fanao amin’ny hoho, ka anisan’izany ny :
-Mpivarotra « cosmétiques et parfumeries » izay mivarotra « produits de marque » na hoe vokatra tsara kalitao ;
-Farmasia sy ny « parapharmacies » izay isan’ireo azo antoka indrindra amin’ny fivarotana « vernis » manaraka ny fenitra ara-pahasalamana sy avy amin’ireo « marques » na « laboratoires » avo lenta any ivelany ;
-Tranombarotra lehibe na « grande surface » izay manafatra sy mivarotra vokatra tsara kalitao avy any ivelany.
Inona no antony tsy hividianana ny « vernis » eny amin’ny sisin-dalana ?
Mila mitandrina tsara amin’ny « vernis » fanao amin’ny hoho ampiasaina. Ny ankamaroan’ireo « vernis » hamidy eny amin’ny sisin-dalana dia « vernis » mora vidy vita sinoa. Toy izay ihany koa ireo amidy mora be ao Behoririka. Matetika izy ireny dia tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana takiana amin’ny fiarovana ny mpanjifa sy ny mpampiasa azy ireny. Misy amin’ireo « vernis » ireo no mitahiry akora simika mety misy vokadratsy eo amin’ny fahasalamana, indrindra ny fahasalaman’ny hoho.
Anisan’ireo vokadratsin’ny fampiasana « vernis » fanao amin’ny hoho ratsy kalitao ny :
-Fipotran’ny « allergies » sy « irritations ». Izany hoe mety hivaramena, hangidihidy na koa hivonto ny hoditra manodidina ny hoho na ny faritra hafa eo amin’ny vatana ;
-Faharefoana na falemen’ny hoho ka mahatonga azy ireny lasa mora tapaka, makiana, matevina ratsy endrika.