• Cours de change
  • 5069.19 AR
  • |
  • $4513.75 AR
Copyright Image : © Truc Mania Ouest France
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanamboarana « lait démaquillant » natoraly sy malefaka

20/05/2025 16:07 © Moov.Mg

Isan’ireo vokatra ilaina amin’ny fikarakarana ny tarehy amin’ny andavanandro ny « lait démaquillant ». Izy io no hanadiovana ny tarehy rehefa hariva mba hanesorana ny manjamaso sy ireo loto ary « cellules mortes » miangona eo amin’ny hodi-tava. Mazava ho azy fa efa misy ireo vokatra vonona ampiasaina hita eny amin’ny mpivarotra. Ho an’ireo maniry hampiasa « lait démaquillant » natoraly sy malefaka dia atoro eto ny fanaovana izany.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra « lait démaquillant »

-Eau de rose ½ ny kaopy. Raha tsy misy dia azo asolo rano mangatsiaka avy nampangotrahana ;
-Huile d’amande douce na menaka olive ½ ny kaopy ;
-Glycérine végétale 1 sotrokely ;
-Vitamina E 5 mitete.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Arotsaka anaty tavoahangy madio ny eau de rose na ny rano mangatsiaka avy nampangotrahana.
Arotsaka ao manarak’izay ny glycérine végétale. Ahontsana tsara ny tavoahangy mba hifangaro ireo akora.
Alefa ao manarak’izany ny huile d’amande douce na ny menaka oliva. Arotsaka manarak’izay ny vitamina E.
Saromana tsara ilay tavoahangy ary ahontsakontsana mafy mandritra ny segondra vitsy mba hifangaro tsara daholo.

Fomba fampiasana ity « lait démaquillant » natoraly ity

Ahontsana tsara ny tavoahangy isaky ny hampiasa ity « lait démaquillant » ity mba handaitra tsara izany.
Andrarahana kely amin’izy io ny coton hanadiovana ny tarehy. Kosehana moramora amin’izany ny hodi-tava sy ny hodi-maso mba hiala ny manja-maso sy ny loto samihafa.
Azo kobanina amin’ny rano ny tarehy rehefa vita izay. Azo avela eo ihany koa nefa ity vokatra natoraly ity.
Azo tehirizina mandritra ny 1 volana moa ity « lait démaquillant » natoraly vita ao an-trano ity. Tsy atao tratry ny hazavana be na ny taratry ny masoandro mba ho simba.

Lire la suite

Articles Similaires