• Cours de change
  • 5044.79 AR
  • |
  • $4518.09 AR
Copyright Image : © Para Sweetness
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikolokoloana ny tarehy : torohevitra hanerena ny mason-koditra misokatra loatra

19/05/2025 11:10 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra manaratsy ny endriky ny hodi-tava ny mason-koditra misokatra loatra na hoe « pores dilatés ». Miendrika lavaka kely be dia be hita maso izy ireny ary somary marokoroko rehefa tsapaina. Inona ary no mahatonga ny mason-koditra eo amin’ny tarehy misokatra ? Ahoana ny fomba natoraly atao mba hanerena azy ireny ?

Ireo antony mahatonga ny mason-koditry ny hodi-tava misokatra loatra

Maro ireo antony mety mahatonga ny mason-koditry ny hodi-tava misokatra loatra na ireo atao hoe « pores dilatés ». Anisan’izany ny :
-Famokaran’ny hodi-tava « sébum » be loatra. Ireo olona manana « peau grasse » moa no tena voakasik’izany. Be loatra ny « sébum » mivoaka ary rehefa mifangaro amin’ny « cellules mortes » sy ny loto eo amin’ny hodi-tava izany dia lasa tsentsina ny mason-koditra ka misokatra be loatra ;
-Very ny « élasticité » ny hoditra. Rehefa miha mahazo taona ny olona iray dia mihena ny « élasticité » sy ny « collagène » ny hoditra, indrindra ny eo amin’ny hodi-tava. Rehefa mitranga izany dia lasa tsy mienjana tsara intsony ilay hoditra ary lasa toy ny miha lehibe ny endrik’ireo mason-koditra.
-Fiandronan’ny loto sy « cellules mortes ». Rehefa tsy voadio tsara ny hodi-tava dia miangona eo ny loto sy ny « cellules mortes ». Izany dia manentsina ny mason-koditra ka mahatonga azy lasa mihitatra sy misokatra loatra.
-Fototarazo. Eo amin’ny olona sasany dia lovaina amin’ny fototarazo ny haben’ny hodi-tava.
-Fiantraikan’ny fitaniana andro be loatra. Ny taratry ny masoandro dia mety manimba ny « collagène » sy ny « élastine » eo amin’ny hodi-tava ka mahatonga ny mason-koditra misokatra loatra.
-Fampiasana manjamaso na vokatra fikarakarana hoditra « comédogènes » izay mety manentsina ny mason-koditra ka mahatonga azy ireo lasa hita be kokoa.

Ireo torohevitra natoraly manampy hanerena ny mason-koditra misokatra loatra

Maro ireo fomba natoraly afaka manampy amin’ny fanerena ireo mason-koditry ny hodi-tava misokatra loatra. Anisan’izany ny :
-Fizarana manadio tsara ny tarehy. Sasana tsara isaky ny maraina sy hariva ny tarehy mba hanesorana ny « sébum » mihoatra, ny loto sy ny manjamaso. « Nettoyant » malefaka sy mifanaraka amin’ny hodi-tava no ampiasaina.
-« Exfoliation » malefaka. Izany hoe kosehana amin’ny « exfoliant » na « gommage » malefaka ny hodi-tava mba hiala ireo loto sy « cellules mortes » mety manentsina ny mason-koditra. Atao indray mandeha na in-droa isan-kerinandro izany.
-Fanaovana « masque » vahona. Ny vahona dia manana fiasa manamandina sy mampitony ny hoditra. Afaka manampy amin’ny fanerena ny mason-koditra lasa misokatra be loatra ihany koa izy io. Hosorana nditin’ny vahona ny tarehy ary avela hilona mandritra ny minitra vitsy avy eo kobanina amin’ny rano matimaty.

Lire la suite

Articles Similaires