• Cours de change
  • 5041.07 AR
  • |
  • $4518.51 AR
Copyright Image : © Neutraderm
Image
Fahalalana Ankapobeny

Hodi-doha mangidihidy lava : fikafika natoraly hampitsahatra izany

16/05/2025 16:26 © Moov.Mg

Toe-javatra mahakasika olona maro ny hoe mangidihidy lava ny hodi-doha. Izany hoe mangidihidy foana ny loha na dia efa nosasana madio tsara aza ny volo. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny hoe misy aretin-koditra, makiana loatra ny hodi-doha na mifanohitra amin’izay be menaka loatra ny hodi-doha… Ahoana ary ny atao hampitsahana ny hodi-doha mangidihidy lava ?

Manao « gommage au café » raha be menaka loatra ny hodi-doha

Isan’ireo antony mety mahatonga ny hodi-doha mangidihidy lava ny hoe be menaka loatra na hoe miteraka « sébum » loatra ilay hoditra. Ny fanaovana « gommage au café » no isan’ny fomba natoraly mandaitra hampitsahatra izany. Ny tain-kafe tokoa mantsy dia afaka manala ireo loto miraikitra amin’ny hodi-doha. Ankoatra izay dia manome vitamina, mineraly sy antioxydants mahasalama ilay hoditra izy io.
Tsotra ny fomba atao. Afangaro anaty lovia jobo ny tain-kafe 1 sotro fihinanana, menaka oliva 1 sotro fihinanana ary ny tantely 1 sotro fihinanana. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny hodi-doha rehefa avy nolemana ny volo. Horina tsara atao boribory mandritra ny minitra vitsy. Rehefa vita dia kobanina tsara amin’ny rano izay vao sasana amin’ny « shampoing » toy ny mahazatra ny loha.

Horina amin’ny menaka zavamaniry ny hodi-doha makiana

Antony iray hafa mety mampangidihidy lava ny hodi-doha ihany koa ny fahamainana loatra ity hoditra ity. Manampy betsaka amin’ny fampitoniana sy ny fampitsahana izany hidihidy izany ny fanorana moramora ny hodi-doha amin’ny alalan’ny menaka zavamaniry. Maro ireo karazana menaka afaka ampiasaina amin’izany, toy ny diloilo coco, ny menaka jojoba, ny menaka kinana…
Raha hampihatra ity torohevitra ity atao anaty lovia jobo ny menaka zavamaniry izay nosafidiana. Atsoboka kely ao ny lohan’ny rantsan-tanana avy eo horina moramora, atao manao boribory ny hodi-doha. Atao mandritra ny minitra vitsy izany fanorana izany ary averina atsoboka anatin’ilay menaka matetika ny lohan’ny rantsan-tanana mba hahazo menaka. Avela hilona mandritra ny 30 minitra izay vao sasana toy ny mahazatra ny volo. Azo atao indroa isan-kerinandro ity torohevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires