Zaza kely voan’ny sery : torohevitra mampatory azy tsara amin’ny alina
Matetika rehefa voan’ny sery ny zazakely dia mety ho tsentsina ny orony, indrindra rehefa amin’ny alina. Mazava ho azy fa ho sorena sy tsy hahazo aina izy ka tsy hahita tory na ho tapa-tory. Ahoana ary ny fomba atao hanesorana ny tsentsina ao amin’ny lalan-drivotry ny zaza voan’ny sery sy mba hanatsarana ny torimasony ?
Ireo fambaran’ny zazakely voan’ny sery
Mora andairan’ny sery kokoa ny zazakely satria mbola tsy hary tanteraka ny hery fiarovany ka mora andairan’ny otrikaretina. Anisan’ireo soritr’aretina mety mitranga eo amin’ny zazakely voan’ny sery ny hoe :
-Tsentsina ny orony. Mbola tsy mahay manisin-delo tokoa mantsy izy dia lasa misy lelo sy tain-delo miangona ao anatin’ny orony ;
-Mievona matetika ilay zaza ;
-Mety harary tenda ;
-Mikohoka ;
-Manavinavy ;
-Sorena ary tsy mazoto minono na misakafo.
Amin’ny ankapobeny dia sitrana ho azy ny zazakely voan’ny sery afaka herinandro eo ho eo. Ny fanaviana moa matetika no misinda voalohany fa mety mbola misy lelo izy mandritra ny andro vitsy ary avy eo vao afaka avokoa ireo soritr’aretina.
Ireo fomba atao hampatory tsara ny zaza voan’ny sery
Samy mahafantatra avokoa isika fa tsy mampahazo aina ary manorisory tokoa ny matory miaraka amin’ny orona tsentsina sy ny jenjin’ny sery, na zaza na lehibe. Lasa tapa-tory matetika ary mety sahirana vao mahazo torimaso. Mba hanatsarana ny torimason’ny zazakely voan’ny sery ary dia ireto misy torohevitra tsara ampiharina :
-Diovina matetika ny oron’ny zaza voan’ny sery. Mampiasa « sérum SSI » atsifotra ao anaty orony sy « mouche bébé » mba hampivoaka ny lelo ;
-Somary atao mitraka kely ny loham-pandrianany rehefa matory izy. Raha mahintsy be mantsy ny kidoro dia lasa mankany amin’ny tenda ny lelo ka mety manamafy ny kohoka eo amin’ny zaza sy hanaitra azy matetika ;
-Avela misy rivotra mivezivezy ao amin’ny efitrano fatorian’ny zaza amin’ny atoandro mba hivoaka ny viriosy sy mba hisorohana ny « acariens » izay mety vao maika mampihombo ny sery ;
-Tsaboina ny fanaviana. Omena fanafody fampidinana hafanana nahazoana alalana tany amin’ny mpitsabo ny zaza ary arahina tsara ny torimarika fanomezana izany.
Mila entina manantona mpitsabo ny zazakely voan’ny sery raha toa ka mihoatra ny 38,5°C ny hafanany, sahirana miaina, miaina haingana be, mangana ny molony, tsy mety minono mihintsy, mandoa rehefa mikohoka, tsy misinda ny sery ao anatin’ny herinandro na koa hoe misy lelo mavo na maitso mivoaka mandritra ny fotoana maharitra.