• Cours de change
  • 5031.87 AR
  • |
  • $4436.45 AR
Copyright Image : © Radio France
Image
Vaovao

“La poésie de Madagascar” : Tononkalo tao anatin’ny 130 taona, natambatra ao anaty boky iray

07/05/2025 15:08 © Moov.Mg

Navoaka tamin’ny fomba ôfisialy androany 7 mey 2025, teny amin’ny Tranombokim-Pirenena Anosy, ny fitambaran-tononkalo, na « anthologie », mitondra ny lohateny hoe : “La poésie de Madagascar”, narindran’ny Pr Dominique Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversiten’i Lorraine any Frantsa.

Poeta nanoratra tamin’ny teny frantsay

Tononkalon’ny mpanoratra malagasy, poeta nanoratra tamin’ny teny frantsay miisa 30, no voarakitra ao anatin’ity boky “La poésie de Madagascar” ity, ahitana ireo mpanoratra efa hatramin’ny taona 1897 hatramin’izao taona 2025 diavintsika izao. Isan’izany i Dox, Jacques Rabemananjara, Esther Nirina, Jean Joseph Rabearivelo… izay nanamarika mpankafy literatiora maro, tao anatin’ny taona mifandimby. Fa isan’ny notsongain’ny Pr Dominique Ranaivoson ihany koa ireo mpanoratra ankehitriny toa an’i FX MAHAH, DD Sorajavona, Ambinintsoa Avotra, Victor Rasoanaivo, Hanitr'Ony, Loloniala, Hajaina… izay mpikambana ao anatin’ny Havatsa UPEM.

Araka izany, azo itarafana ny vanim-potoana samy hafa nolalovan’i Madagasikara, ireo soratra voarakitra ao anatin’ity boky ity, noho izy mampivondrona asa soratra namakivaky 130 taona latsaka kely. Tsapa avy amin’ireo tononkalo ihany koa ny fironana nisy, na ara-pihetseham-po izany, na ara-pomba fanoratana, fa samy manana ny maha-kanto azy avokoa. Izao fivoahan’ity boky ity izao, noho izany, dia isan’ny porofon’ny maha-manankarena ara-talenta sy ara-kolontsaina an’i Madagasikara.

Manankarena ny literatiora malagasy

Nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity boky ity ihany koa Rabearizafy Nestor, mpanoratra sady mpampianatra eny anivon’ny fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa mahaolona, eny amin'ny oniversiten'Antananarivo. Taloha, hoy izy, dia any anaty bokin’olona no isintonana ny lahatsoratra iasana miaraka mampianatra, fa amin’izao kosa, « anthologie » malagasy no isintonana izany. « Midika izao, fa ny literatiora malagasy amin’ny teny frantsay dia literatiora velona », hoy ity manam-pahaizana momba ny soratra ity. Ho an-dRatovonirina Faly, tale jeneralin’ny Kolontsaina, dia harena be ho an’ny kolontsaina malagasy ny fananana izao boky izao. Ho hita ao amin’ny Tranombokim-Pirenena moa izy ity manomboka izao, mba hahafahan’ireo izay liana mamaky azy.

Aorian’ny androany dia mbola hisy ny fampahafantarana ny boky “La poésie de Madagascar”, eny amin’ny CRAAM Ankatso, ny zoma 9 mey 2025 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Harahin’ny fijoroana vavolombelon’ireo mpanoratra sasantsasany voarakitra ao anatiny izany, sy fampisehoana an-tsehatra ihany koa. Handray ny hetsika fampahafantarana ny boky, ankoatra izay, ny Institut Français de Madagascar eny Analakely, ny sabotsy 10 mey, manomboka amin’ny 10 ora maraina.

Lire la suite

Articles Similaires