Fomba fanaovana « yaourt à boire » vita ao an-trano
Anisan’ireo vokatra azo avy amin’ny ronono ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe ary afaka amboarina tsara ao an-trano ny « yaourt à boire ». Afaka hoanin’ny mpianakavy ao an-tokantrano ary afaka amidy atao fitadiavam-bola moa izy ity. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « yaourt à boire ».
Ireo zavatra ilaina raha hanao « yaourt à boire »
-Ronono velona na ronono amin’ny baoritra 1,5l ;
-Yaourt 1 (tsara kokoa raha tsy yaourt maison fa ireny yaourt parfumé ireny) ;
-Siramamy ;
-Colorant alimentaire izay tiana (tsy voatery).
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Ampangotrahana ny ronono velona ary tatavanina amin’ny passoire rehefa masaka mba hiala ny herotra. Raha ronono amin’ny baoritra no ampiasaina dia tsy ampangotrahana fa hafanaina fotsiny.
Avela hangatsiaka ka rehefa manomboka zakan’ny tanana ny hafanana, tokony manodidina ny 40°C eo ho eo, dia arotsaka ny yaourt parfumé. Aroharoana tsara.
Rehefa izy mbola mafana iny dia araraka anaty « pot à yaourt ». Alahatra anaty vilany na koveta lehibe dia avy eo saromana bodofotsy. Avela hipetraka ao mandritra ny adiny 5 ora.
Rehefa vita ny yaourt dia arotsaka miaraka ao anaty koveta izy rehetra. Avy eo ampiana rano matimaty efa nampangotrahana 1 litatra na 0,5 litatra, miankina amin’ny arihatra hitiavana ny yaourt à boire.
Arotsaka ao manarak’izay ny siramamy sy ny colorant alimentaire. Rehefa vita izay dia arotsaka ao anaty « mixeur » ary avela hifangaro ao. Mety mila arotsaka tsikelikely fa tsy zakan’ny « mixeur » indray mandeha.
Fanamarihana
Raha toa ka lasa somary nangatsiaka ilay ronono nasiana yaourt tao alohan’ny nandrotsahana azy tao anaty « pot à yaourt » dia asiana rano mafana aloha ao anatin’ny vilany na ny koveta izay vao apetraka ao ireo « pots à yaourt ».
Afaka ampiana tsiro amin’ny alalan’ny voankazo nopotserina, toy ny frezy, manga, paiso… ihany koa ao anatin’ny yaourt alohan’ny hampidirana azy anaty « mixeur ».