• Cours de change
  • 5040.3 AR
  • |
  • $4482.31 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Fahasalamana&Sakafo

"Fleurs en sucre" : Haingo vita Malagasy, atao amin'ny mofomamy

29/04/2025 08:03 © Moov

Toy ireny Voninkazo natoraly ireny mihitsy ireo asa tanan'ny Hakanto. Azo hanina tsara ny "Fleurs en sucre" rehetra vokarin'io orinasakely io, sady azo tehirizina ela tokoa.

Renim-pianakaviana tanorakely nefa be herimpo no sahy nanangana ny orinasakeliny. Miasa irery izy, na amin'ny fanomanana na ny fanamboarana ireo voninkazo na ny fivarotana izany.

Tantaran'ny Hakanto

Fony nanomana ny mariaziny, tamin'ny taona 2018, no nanomboka nankafy ireo karazam-boninkazo vita avy amin'ny siramamy i Arena Henintsoa. Rehefa nitady asa atao izy nony nanan-janaka dia nisafidy ny hitrandraka izany fitiavany voninkazo izany ny tenany. Nahita mofomamy voahaingo voninkazo hafakely izy ka teo no tapaka ny heviny fa hikirakira "Fleurs en sucre".
Nampiana-tena izy sady nanangona fitaovana. Tsy sarotra taminy ny nanao fampiharana noho izy tia manao asa tanana hatramin'ny fahakeliny. Afa-po tamin'ireo fanandramana voalohany izy ka nisafidy ny hivarotra ny asa tanany : Voninkazo tsara tarehy vita amin'ny siramamy.


Copyright Image : © Moov

"Pastillage"

Ahitana karazana haingona mofomamy efa apetraka fotsiny eny an-tsena rehetra eny. Raha ny "pastillage" no resahina, matetika raozy tsotsotra, lakroa, fiangonana, voronkely no tena mahazatra. Raha te hanisy haingo miavaka indray dia voatery mividy zavatra artifisialy.
Mbola azo lazaina fa vitsy ireo mpanao asa tanana vita amin'ny siramamy izay manana vokatra amin'ny endrika natoraly. Hanome fahafaham-po ireo mpankafy mofomamy sy mpikarakara lanonana te hanana haingo miavaka tokoa no antom-pisian'ny Hakanto. Nambaran'i Arena Henintsoa fa ireo matihanina amin'ny fanaovana mofomamy no tena manjifa ny voninkazony. Tsy vitsy ihany koa ireo olon-tsotra mikarakara fety no mankafy ny asa tanany, indrindra ireo mikarakara mariazy sy tsingeritaona nahaterahana.


Copyright Image : © Moov

Asa atao am-pitiavana

Mila fitiavana sy faharetana ny asa tanana atao amin'ny alalan'ny siramamy. Tsy vita vetivety izany na kely na lehibe na maro na vitsy ny voninkazo atao. Tsy afaka mikoropaka mihitsy satria matetika dia miainga amina sary no anaovana ny asa : hajaina avokoa ny pitsopitsony rehetra mba hahazoana vokatra mitovy tanteraka amin'ny voninkazo natoraly. Azon'ireo mpanjifa atao tsara ny misafidy izay voninkazo tiany hafarana, na Orchidée, na Rose, na Sabot de venus, na Arôme na voninkazo hafa.
Amin'ny ankapobeny, dia ora 1 eo ho eo, miankina amin'ny maodely, no hamolavolan'i Arena Henintsoa voninkazo vita amin'ny siramamy iray. Alefa aloha izany ny "commande" mba ho voakaly tsara ny asa tanany, 2 herinandro eo ho eo amin'ny ankapobeny. Raha toa kosa ka tena marobe ny Voninkazo hafarana dia mila hatramin'ny 2 volana mihitsy ny fanamboarana izany.



Lire la suite

Articles Similaires