• Cours de change
  • 5040.3 AR
  • |
  • $4482.31 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanamboarana « terrine de saumon »

28/04/2025 16:39 © Moov.Mg

Karazana trondro iray mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny « saumon » noho izy manankarena « oméga-3 ». Anisan’ny vokatsoa azo avy aminy ny fampihenana ny « cholestérol » sy ny fandanjalanjana ny tosidrà. Maro ny karazana nahandro afaka hikarakarana ny « saumon » ka ny « terrine de saumon » no atoro antsika eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « terrine de saumon »

-« Filets de saumon » tsy misy hodiny 500g ;
-Silaka « saumon fumé » 4 ;
-Atody 2 ;
-Crème fraîche matavy 300ml ;
-Tongolo maitso ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Ampangotrahana anaty rano nasiana sira ny « filets de saumon ». Rehefa mihafotsy dia avela hitsiaka sy hangatsiaka anaty passoire.
Tetehana fisaka ny « saumon fumé ».
Atao anaty saladier ny atody sy ny crème fraîche ary kapohana amin’ny fouet.Arotsaka ao ny tongolo maitso notetehana madiniaka kely. Alefa ao ihany koa « saumon fumé » sy ny « saumon » avy nampangotrahana teo sy nopotipotehana.
Asiana sira sy dipoavatra ary atao mifangaro tsara daholo. Rehefa izay dia arotsaka anaty lasitra fanaovana « cake » izay nasiana « papier sulfurisé » tao anatiny.
Apetraka eo ambony « plat » somary jobo lehibe ny lasitra ary rarahana rano manodidina ity farany hanaovana « cuisson au bain-marie ».
Ampidirina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 45 minitra. Rehefa misasaka ny fotoana nandrahoana azy dia rakofana « papier aluminium » ny lasitra mba tsy ho may ny nahandro.
Rehefa masaka dia avela mangatsiaka aloha ny « terrine de saumon » izay vao esorina tao anaty lasitra. Atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandrapihinanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires