Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy : ireo vokatsoan'ny fandihizana
Marihana isan-taona ny 29 aprily ny andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Ankoatra ny maha kolontsaina ny dihy dia karazana fampihetseham-batana mitondra vokatsoa maro eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ihany koa izy io. Andeha ary ho resahana eto ireo vokatsoa azo avy amin’ny fandihizana.
Dihy : mampantajaka ny vatana sy ny hozatry ny lamosina
Fanatanjahantena iray azo sokajiana ho feno izay mampatanjaka ny hozatry ny vatana, manatsara ny « coordination motrice » ary mandrisika ny fikorian’ny rà ny dihy. Samy manana ny fitsipiny moa ny karazan-dihy tsirairay fa amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny « rythme » mientanentana, fihetsika miverimberina… izy ireny. Ny « étirements », ny « gainage » ny kibo ary ny « respiration » dia manampy betsaka ny mpandihy hanana hampihatra fijoro (posture) mety tsara amin’ny andavanandro. Izany dia mampihena ary misoroka ny fanaintainana ny lamosina.
Mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny rarintsaina ny dihy
Rehefa mandihy ny olona iray dia miara miasa tanteraka ny sainy sy ny vatany. Mamokatra hormonina « sérotonine », « dopamine » sy « endorphines » ny vatana mandritra io fotoana io ka manome fitoniana ara-tsaina sy ara-batana mandritra ny ora maromaro aorian’ny fandihizana. Mila mandiha eo ho eo amin’ny 30 hatramin’ny 45 minitra mba hamokarana ireo hormonina voajanahary mahasambatra, mitondra fahafinaretana sy hafaliana izay miasa amin’ny atidoha ireo. Fomba mahafinaritra manala ny sorisory sy ny rarintsaina ny dihy.
Miaro amin’ny olan’ny fo sy lalandrà
Ny fandihizana dia mikolokolo ny fahasalaman’ny fo. Voasokajy ho « sport d’endurance » isan’ny mandaitra amin’ny fanamafisana ny hozatry ny fo sy ny fanatsarana ny « respiration » moa ny dihy. Araky ny vokam-pikarohana navoakan’ny « université de Sydney » tao amin’ny gazety « American Journal of Preventive Medicine » dia voalaza fa tsy dia tratry ny aretin’ny fo sy ny lalandrà ireo olona 40 taona ny mihoatra izay mandihy matetika.
Miady amin’ny hatavezana be loatra
Rehefa ampiarahana amin’ny sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ny dihy dia manampy amin’ny fampihenana tena sady manamafy ny hozatra amin’ny faritra sasany ao amin’ny vatana. Marihana fa ny fandihizana mandritra ny 30 minitra dia manary 200 kaloria. Azo atao tsara ny mikendry ny faritra eo amin’ny vatana tiana hahena na hampitomboana hozatra, miankina amin’ny karazana dihy atao.