Tontolo iainana : Afaka misitraka karazana ala hitrandrahana karazan-tsakafo betsaka i Madagasikara
Ankalazaina manerantany isaky ny 21 martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ala. Isan’ny mandray anjara amin’izany fankalazana izany ihany koa i Madagasikara. Lohahevitra entina manamarika izany, tamin’ity taona ity ny hoe « ala, antoky ny aina sy sakafo ». Mifandray araka izany ny ala sy ny sakafo ary ny fahasalamana ka isan’ny tombony ho an’ny Madagasikara ny fananana karazana ala hahafahana misitraka ireo.
Miisa 4 ny karazana ala
Amin’ny fotoana toy izao matetika dia manao tombana ny tahan’ny ala sy ny zava-misy manodidina izany ny fitondram-panjakana. Manana ala karazany efatra i Madagasikara, raha ny tatitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Voalohany amin’izany ny ala mando, mirefy 3 912 406 Ha ary any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara no ahitana azy. Eo ihany koa ny ala maiky izay hita any amin’ny faritra Andrefana, mirefy 2 338 101 Ha. Fanampin’izany ny ala tsilo mirefy 1 460 106 Ha ny velarany izay hita any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy no misy azy. Ao anatiny ihany koa ny ala honko izay hita misandrahaka amin’ireo morontsiraka maro manerana an’i Madagasikara ; mirefy 227 152 Ha.
Etsy ankilany dia samy manana ny mampiavaka azy izy ireo, indrindra amin’ny lafiny akora azo trandrahina ho lasa sakafo. Ohatra amin’izany ny fiompiana hazan-drano amin’ireo ala honko maro isan-karazany. Eo ihany koa ny voankazo izay mety ho azo any amin’ireo ala mando. Araka izany, isan’ny miantoka tanteraka ny fahavitantena ara-tsakafo hoan’ny firenena iray sy ireo mponina ao aminy, ny fananana ala sy fiarovana ary fikolokoloana azy ireny.
Mila fiarovana matanjaka
Zava-dehibe io fiarovana sy fikolokoloana io. Fantatra fa manadio ny rano sy ny rivotra iainana ny ala, ankoatra ny sakafo vokariny. Araka izany, dia tsy afa-misaraka amin’ny ala ny andavanan’androm-piainantsika malagasy noho ireo fanafody, rano ary ny tsiron’ny tany omeny.
Harena be, ihany koa, io ala io satria tombanana ho 10.000 dolara ny sandan’ny 1 ha amin'ny ala velona, ary ambonin’izany ny vola azon’ny firenena avy amin’ny varotra « carbone » noho ny fingejan’ny ala izay efa mitontaly any amin’ny 50 tapitrisa dolara any.
Mba hisitrahan’ny malagasy ny harena voajanahary misy eo aminy ary dia nomena anjara toerana lehibe ireo mponina eny ifotony amin’ny alalan’ny fitantanan’ireo Vondron’olona ifotony na VOI. Misy 1500 eo izy ireo manerana ny nosy ary manao ny ainy tsy ho zavatra miaro ny harena misy eo aminy. Eo ihany koa ireo mpianala misandrahaka manerana ny Nosy miisa 314, izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy ambakan’izany ny ataon’ireo olontsotra, fikambanana ary orinasa tsara sitrapo miaro sy manarina ary manatevina ny ala.
Nametraka ho tanjona ny fambolena hazo amin’ny velaran-tany 75000ha isan-taona ihany koa moa i Madagasikara.