• Cours de change
  • 5188.56 AR
  • |
  • $4507.44 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Vaovao

Sehatry ny kanto : Nodimandry i L. Saphira, mpihira sady mpilatro

17/10/2025 09:11 © Moov.Mg

Nodimandry omaly 16 okôbra 2025 ilay mpihira L. Saphira, izay nanana ny lazany tany amin’ny taona ’90. I Marghe, ilay mpanakanto mpandresin’ny fifaninana « The Voice » 2021, izay fianakaviany, no nizara ny vaovao mampalahelo, tao anatin’ny tambajotra sôsialy.

Mpanakanto sahisahy

« Mampamangy », « Lahatra », « Mody gisa », ireo no hira isan’ny nahafantarana an’i L Saphira. Nampiavaka azy ilay feony somary kasokasoka, izay tsy dia mbola nahazatra ny sofina tamin’izany fotoana izany. Voamariky ny mpanaraka ireo raki-tsariny ihany koa ilay izy somary sahisahy, amin’ny tantara nandravahany izany raki-tsary izany. Eo ihany ny fomba fianjaikany niavaka. Tsara mantsy ny mahalala, fa talohan’ny naha-mpihira azy dia mpilatro i L. Saphira. « Lolo » no anarana nahafantarana azy, tao anatin’izany sehatra izany. Nilatro tamin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy izy, nandritra ny taona maro. Araka izany, azo lazaina ho nitondra rivo-baovao tao anatin’ny tontolon’ny mozika teto Madagasikara i L. Saphira, izay nahasahy naneho ny maha-izy azy sy ny mampiavaka azy manokana.

Isan’ny nanamarika ny dingana nolalovan’i L. Saphira, tao anatin’ny tontolon’ny mozika ihany koa, ny fiarahany niasa tamin’ilay mpanao reggae malaza, Jimmy Cliff, ka nahatonga azy nirona tany amin’io gadona io, taty amin’ny taona 2000.

Mpihira nanainga fanahy an’i Marghe

Raha ny ranty navoakan’i Margherita Davico, na i Marghe, tao anatin’ny pejy Facebook-ny, dia i L. Saphira no mpihira tao anatin’ny fianakaviana. Izy rahateo no nanainga fanahy an’ity mpanakanto tanora ity, ka nahatonga azy hiditra ao anatin’ny sehatry ny mozika ihany koa. « Ianao no isan’ny voalohany natoky ahy, raha vao naniry ny hanaraka ny dianao aho », hoy i Marghe. Taty aoriana moa dia nindramin’ity farany ilay hiran’i L. Saphira mitondra ny lohateny hoe : "Mampamangy", ary nahazoany ny loka RDJ Mozika 2022, tao anatin’ny sokajy "Cover Milamina".

Ity hira « Mampamangy » ity no isan’ny be mpizara indrindra, ao anaty tambajotra sôsialy, ho mariky ny fanaovam-beloma, sy ho fahatsiarovan’ireo mpankafy an’i L. Saphira.

Lire la suite

Articles Similaires