Ady amin’ny homiadan’ny vozon’ny tranon-jaza : Tonga tsikelikely any amin’ny faritra ireo vakisiny
Volana natao hiadiana amin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy ny volana oktobra. Ao anatin’izany ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Efa manana ny vakisiny miady amin’ny tsimok’aretina HPV (Papillomavirus Humain) i Madagasikara, izay tonga ny volana septambra teo ary efa haparitaka manerana ny Nosy.
Vakisiny ho an’ny ankizivavy 9 hatramin’ny 14 taona
Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza dia aretina azo avy amin’ny tsimok’aretina HPV, ary ny « anti-HPV » no vakisiny fanefitr’izany. Natao hiarovana mialoha mba tsy hahazoana ny aretina ny vakisiny ka izany indrindra no antony hanolorana azy ho an’ny ankizivavy 9 hatramin’ny 14 taona, mbola tsy niroso tamin’ny firaisana ara-nofo. Raha tokony tamin’ity herinandro ity no nanatanterahana io vakisiny faobe io dia nihemotra izany, noho ny toe-draharaham-pirenena.
Marihina fa daozina vaksiny « anti-HPV » 547 070 isa no noraisina teny amin’ny trano fitahirizana vaksinin’ny fandaharan'asa fanaovam-baksiny faobe (PEV) eny Ivato, ny volana septambra lasa teo. Mbola andrasana kosa ny daozy hafa ho tonga, ato ho ato, ka 2,2 tapitrisa no ho totalin’izany. Ny ankizivavy rehetra rahateo no tiana ho atao vakisiny ao anatin’izany. Ity tetikasa ity izay efa taona maromaro no efa nokasaina nampidirina teto Madagasikara, ary izao vao tanteraka. Efa manomboka ny fanapariahana ny vakisiny, isaky ny faritra amin’izao. Tohana avy amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) sy ny Alliance Gavi no nahafahana nahazo izao vaksiny entina miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza izao.
Homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy
Anisan’ny homamiadana mahazo vehivavy matetika indrindra ity mpahazo ny vozon’ny tranon-jaza ity satria homamiadana fahaefatra mahazo vehivavy matetika indrindra maneran-tany (OMS). Raha ny antontan’isa navoakan’ity farany tamin’ny 2024 dia nahitana tranga vaovao manodidina ny 660 000 sy fahafatesana 350 000 noho io aretina io tamin’ny taona 2022. Ity fanaovana vakisiny ity anefa dia afaka hiaro mialoha.
Ankoatra ny fanaovana vakisiny dia efa azo tilina ihany koa io aretina io. Marihina tsara fa ny homamiadana voatily aloha rehetra dia azo sitranina avokoa, hoy ny mpitsabo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny homamiadan’ny nono. Natao hiadiana amin’izany aretina izany ihany koa ity volana ity. Araka izany, ny fitiliana dia tokony hataon’ny vehivavy rehetra. Mila hatao fahazarana ihany koa ny fitsapana nono, ka raha vao mahatsapa fivontosana dia manatona mpitsabo. Aretina azo sitranina avokoa ireo roa ireo, saingy mila fantarina mialoha ny fisiany.