Florent Rakotoarisoa : "Tsy nisy fivoahana tamin'ny Lalàm-panorenana teto Madagasikara"
Namaly manokana ireo Firenena sy Vondrona Iraisampirenena "nanakiana" an'i Madagasikara ny filohan'ny HCC, Florent Rakotoarisoa.
Nandray fitenenana ampahibemaso ny filohan'ny HCC, Florent Rakotoarisoa, taorian'ny Fianianan'ny Kolonely Michael Randrianirina. Namarany tamin'izany fa nanaja ny lalàm-panorenana ny Malagasy.
Fiatrehana ny krizy
Nanambara i Florent Rakotoarisoa fa nijoro hatrany ny andrim-panjakana Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) nandritra ny vanim-potoana sarotra izay nolalovan'i Madagasikara. Tsiahivina moa fa ny 14 oktobra lasa teo no nivoaka ny didy tsy azo ivalozana fa ny Kolonely Michael Randrianirina no mitazona ny toeran'ny filoham-panjakana. Noho izany didy izany indrindra no antom-pisian'ny lanonam-pitsarana ny maraina teo, dia ny fianianan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
Nanararaotra namaly ireo Firenena sy Vondrona Iraisampirenena izay namoaka fanambarana isan-karazany ny filohan'ny HCC. Ny fanambaran'ny Firenena Mikambana ohatra dia nilaza mazava fa "fiovana fitondrana tsy nanaraka ny Lalàm-panorenana no nisy teto Madagasikara. Manoloana izany indrindra, nanambara i Florent Rakotoarisoa fa "Tsy nisy fivoahana tamin'ny Lalàm-panorenana teto Madagasikara, ary ny fanajana izany lalàm-panorenana izany indrindra no nahafahana nivoaka tamin'ny raharaha namaivay."
Fanohanan'ny firenena vahiny
Na dia eo aza ny fanambarana samihafa "manohitra" ny fiovana nisy teto Madagasikara, maromaro ireo masoivoho sy solontena avy amina vondrona sy firenena vahiny nanatrika ny lanonam-pitsarana androany. Tazana teny Ambohidahy ohatra ny Masoivohon'i Chine sy ny Masoivohon'i Etazonia ary ny Masoivohon'i Frantsa. Azo heverina araka izany fa hahazo fanohanana avy any ivelany izao fitondrana Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izao. Marihana ihany koa fa efa nisy ny fihaonan'ny Colonel Michael Randrianirina tamin'ireo Rosiana omaly. Andrasana izay mety ho tohin'ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ireo firenena vahiny.