Filoham-panjakana Randrianirina Michael : Hifototra amin’ny fanovana rafitra, araka ny hetahetam-bahoaka
Tontosa androany 17 ôktôbra 2025, ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika, nandraisana ny fianianan’ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michael. Teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) eny Ambohidahy no nanatontosana izany, androany maraina.
Hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy. Hiaro sy hanamafy ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona. Hanaja sy hitandrina ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana. Hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. Io no votoatin’ny fianianana notononin’ny kolonely Randrianirina Michael androany maraina, raha nandray ny fitantanana ny Fanjakana Malagasy izy.
Filoham-panjakana vita fianianana
Mialoha ny nanatanterahany izany fianianana izany dia nisy ny fampahatsiahivana izay voalazan’ny Lalàmpanorenana, milaza fa manomboka ny andro nanaovana ny fianianana no fe-potoana iasan’ny Filohan’ny Repoblika. Notsiahivina ihany koa ny fanapahana laharana faha-10-HCC/23 tamin’ny 14 ôktôbra 2025, izay nilaza fa hita fototra ny fahabangan’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ka nitondra amin’izao fametrahana filoham-panjakana izao.
Taorian’ny fianianana dia nosaloran’ny filohan’ny mari-boninahi-pirenena malagasy, ireo fanamarihana ny maha-filoham-panjakana vita fianianana azy, ny kolonely Randrianirina Michael. Natolotry ny jeneraly Ranjeva Marcel azy, nandritra izany, ny mari-bonihahitra « Grand-Croix de première classe de l’ordre nationale malagasy » sy ny « collier de Grand Maître de l’Ordre national malagasy », izay manamarika ny maha-filoham-panjakana azy.
Mila fiovana ny vahoaka
Nisy ireo fandraisam-pitenenana nifandimbiasan’ny Rakotoarisoa Florent sy ny filoham-panjakana vaovao, namaranana ny lanonana. Nandritra izany no nilazan’ny kolonely Randrianirina Michael, fa kihon-dalana ho amin’ny fanovana ity androany ity. Ny vahoaka malagasy, hoy ny nambarany, no nitaky io fiovana io, izay nandrandraina efa hatramin’ny fotoana niverenan’ny Fahaleovantena. Saingy hatramin’izao dia mbola voasokajy ho firenena mahantra indrindra eran-tany ihany i Madagasikara. Mba hahatongavana amin’izay fiovana andrandraina izay, dia nampanantena ity filoham-panjakana vaovao ity fa hiala tanteraka amin’ireo fomba fanao tsy nety hatrizay. Himasoana ny fanovana ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana, mba hifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka, araka izay notakiana nandritra ireo fihetsiketsehana notarihin’ny Génération Z.
Isan’ireo paikady nambarany fa hotanterahina, ny fametrahana politikam-pitsitsiana, ho entina mifehy ireo fandaniana mihoam-pampana, ka hanomezana vahana ireo laharam-pahamehana. Hisy ihany koa ny atrikasa marolafy ho entina mandrafitra ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana vaovao. Etsy an-daniny, hisy ny fepetra horaisina, ho an’ireo nosokajiany ho fanetriben’ny firenena. Nanome toky ireo mpiara-miombona antoka sy mpampiasa vola izy, fa hametraka tontolo hahafahana manamafy ny lafiny ara-toekarena eto amintsika. Niaraka tamin’izay dia niantso ireo masoivoho vahiny izy mba hanohana sy hanome tanana ny politikam-panarenana nasiônaly, izay tiana hotanterahina eto Madagasikara.