Oniversitem-panjakana : Nahitana fanodikodinam-bola mitentina 14 miliara ariary ny vatsim-pianarana
29 miliara ariary ny totalin’ny vatsim-pianarana zaraina amin’ireo mpianatry ny Oniversite sy ny IST, raha 43 miliara be izao no voasoratra teo aloha.
Anisan’ny olana goavana eny anivon’ny Oniversite ny resaka vatsim-pianarana. Matetika mantsy dia ahitana fahatarana hatrany ny fitsinjarana izany, ka manosika ny mpianatra hitokona mihitsy. Niteraka fahasarotana nandritra ny taona maro ny fikirakirana taratasy, izay niteraka olana teo amin’ny fitantanam-bola. Midangana be tsy araka ny tokony ho izy mantsy ny vola avoaka amin’ny fandoavana vatsim-pianarana. Andrasana araka izany ny mety ho fanambarana mikasika ireo voarohhirohy amin'izany fanodikodinana vatsim-pianarana izany.
Fanavaozana nomerika
Ny haitao ara-kajy mirindra ("digitalisation") no hahafahana manafaingana ny fitantanam-bola mikasika ny vatsim-pianarana eny anivon'ireo Oniversitem-panjakana. Mora ihany koa ny mampihatra ny fangaraharana.
Rehefa nampiharina àry ireo fepetra rehetra notakiana tamin'ny fampiasana fitaovana avolenta, tsikaritra fa nisy ny fanodikodinam-bola. Nisy elanelana 14 miliara ny tontalin'ny vatsim-pianaran'ireo mpianatry ny Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy. Nambara tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 12 marsa moa izany toro izany.
Fanomezan-danja ny fampianarana Malagasy
Tanjon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) ny hanarina ireo lesoka rehetra eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambony. Ezahina ny hizara ny vatsim-pianarana ara-potoana, mba isorohana ny fitokonana eny anivon'ireo Oniversite. Heverina rahateo fa misy fiantraikany ratsy amin'ny fifantohana sy ny fahaizan'ny mpianatra ireo karazana korontana mandritra ny taom-pianarana.
Antoka iverenan'ny fahatokisan'ny orinasa maro ny lentan'ny fahaizan'ireo mpianatra mivoaka avy amin'ny Oniversitem-panjakana ihany koa ny firindran'ny fitantanana sy ny fampianarana.
Fanatsarana ny fotodrafitrasa
Tsy ny fitantanana ihany no asiam-panavaozana. Maro ireo tetikasa hanatsarana ny fotodrafitrasa, arakaraka ny fahasimbana hita sy ny filan’ny mpianatra. Tsiahivina moa fa tapaka tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 26 febroary lasa teo ny fananganana toerana fatorian’ireo mpianatra (dortoirs) eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, Mahajanga, Antsiranana, Toliara. Ho an’ny eny Ambohitsaina manokana, hisy ny fanamboarana ireo « blocs sanitaires ». Ho an’ny ESPA Vontovorona dia efa natomboka ny fanamboarana ny trano fatorian’ny mpianatra. Mitohy ihany koa ny asa fanamboarana ireo Campus universitaire ao Antsohihy, Taolagnaro sy Ambovombe.