Tontolo iainana sy sosialy : Hiara-hiasa akaiky ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Vokovoko Mena
Mifandray akaiky ny tontolo iainana sy ny fiainana ara-tsôsialy. Efa re miantraika amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fiovan’ny toetr’andro. Mba ho fampihenana ny voka-dratsy aterak’izany dia hiara-hiasa amin’ny Vokovoko Mena malagasy sy ny Croissant-Rouge eto Madagasikara ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Krizy ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy
Androany 12 martsa 2025 no nanatanterahana ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), miaraka amin’ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge (IFRC). Haharitra 5 taona ity fiaraha-miasa ity, ka tetikasa maro karazana no hiarahana manatanteraka ao anatin’izany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina. Isan’izany ny fambolen-kazo, ny tetikasa mifantoka amin’ny fambolena, ny fotodrafitrasa sosialy… Nanamarika ny minisitra, fa misy ifandraisany ny krizy ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy. Noho izany, tsy hijanona amin’ny fitantanana ny krizy fotsiny ny fiaraha-miasa, fa ilaina indrindra koa ny fiomanana mialoha. Hanampy amin’ny fanatanterahana ny Drafitra nasionaly ho an’ny fizarana amin’ny fiovan’ny toetr’andro (plan national d’adaptation) ny IFRC.
Firotsahana an-tsitrapo
Tombony entin’ny Croix Rouge malagasy, amin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, ny fananany mpirotsaka an-tsitrapo marobe eny ifotony, araka ny fanazavan’i Aly Rivoarimalala Arlin, filoha lefitra voalohany nasiônaly eo anivon’ny Vokovoko Mena Malagasy. Tanjona mantsy ny hampiharana isam-paritra ity « plan national d’adaptation » ity, ka tena manampy betsaka amin’ny fahafahana manatanteraka izany ny fisian’ireo mpirotsaka an-tsitrapo ireo.
Araka ny fantatra dia maherin’ny 10.000 isa ny mpirotsaka an-tsitrapon’ny Vokovoko Mena Malagasy, manerana an’i Madagasikara. Maherin’ny 16 tapitrisa kosa izy ireo maneran-tany ary manohana ny Vokovoko Mena sy ny Croissant-Rouge any amin’ny firenena manodidina ny 190 isa ny IFRC.