• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Rivodoza DIKELEDI : Tsy afa-bela ny faritra Avaratra sy Andrefana

11/01/2025 16:04 © Moov

Androany sabotsy 11 janoary, eo anelanelan'ny amin'ny 4 ora hariva sy amin'ny 8 ora alina no hiditra an-tanety ao Vohémar ilay rivodoza mahery Dikeledi.

Tamin'ny 2 ora tolakandro teo, tany amin'ny 110 Km any avaratra somary avaratra atsinanan’i Vohemar. Amin'ity hariva ity araka izany dia hiditra an-tanety izy, ao Ampisikinana. Manana tanjaka "Cyclone Tropical" izy, ka 120 Km/ora ny rivotra entiny. Hatreto aloha 17km/ora ny fikisahany.

Filazana loza

Tsy hiverin-dalana intsony i Dikeledi fa tsy maintsy hikasika an'i Madagasikara. Heverina kosa fa hihena ny heriny raha vao tafiditra an-tanety izy.
-LOZA MIHATRA # Fampitandremana miloko mena eo anelanelan’i Antsiranana sy Toamasina ary eo Antsiranana sy Analalava;
-LOZA MANAMBANA # Fampitandremana miloko mavo kosa eo anelanelan’i Analalava sy Maintirano.
Tombanana ho mafy ny rivotra any amin’ny morontsiraka avaratra, avaratra andrefana, avaratra atsinanana ary afovoany andrefan’ny Nosy ao anatin'ny andro vitsivitsy.
-FANAIRANA # Miloko maintso: ny faritra Ambatosoa sy Boeny, ny Distrikan’ny Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony ary Boriziny.

Fiovan'ny toetry ny andro

Efa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity no nihabetsaka ny orana tany amin'ny faritra avaratra iny. Niitatra tsikelikely tany atsinanana sy andrefana izany. Ahiana ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany avaratra sy atsinanana manontolo, vokatry ny rotsakorana betsaka (mihoatra ny 100 mm/24ora), mandritra ny fandalovan’ity rivodoza ity. Ahiana ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy nohon’ny alon-drano mety hihoatra ny 8 metatra.
Nanomboka ny atoandro teo, nahazo orana ny eto afovoan-tany. Orana manify no niandohany, nefa mitombo hatrany ny rotsak'orana, ary mety haharitra hatramin'ny fiandohan'ny herinandro ho avy io izany. Entanina samy ho mailo ny rehetra, indrindra ireo monina amin'ny faritra iva.



Lire la suite

Articles Similaires