Toetr'andro : Miandry oram-be ny afovoan-tany sy atsimo Atsinanana ny faran'ny herinandro
Filazana fampitandremana voalohany ho amin'ny fahabetsahan'ny rotsak’orana amin'ity taona ity. Fampitandremana miloko maitso araka izany no nomen'ny Foibe Mpamantatra ny toetry ny andro ho an'ny ilany Atsinanan'ny afovoan-tany sy ny tapany atsimo Atsinanana iny. Heverina hisy orambe amin'ireo toerana ireo ho an'ny faran'ny herinandro. Marihina fa orana natoraly izany andrasana izany.
Rotsak'orana 40 hatramin'ny 80mm
Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana izany hoe hahatratra 40 hatramin’ny 80mm ao anatin’ny 24 ora. Heverina hitrangan'izany ny zoma 29 novambra 2024 sy ny sabotsy 30 novambra 2024 ho an’ i Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Toy izany ihany koa ny sabotsy 30 novambra 2024 ho an’i Vatovavy, Alaotra Mangoro ary ny tapany atsimon’i Atsinanana. Ilaina sahady araka izany ny fiomanana amin'ireo toerana ireo. Raha io fanambarana io moa dia miantraika amin'ireo toerana rehetra ireo ny fampitandremana miloko maitso. Voalohany amin'ity taom-pahavaratra ity izany ka tokony hiverenan'ny fahamailoana eo amin'ny rehetra. Entanina ihany koa ny rehetra ao anatin'izany ny amin'ny fanarahana ny toromarika.
Hikorontana ny fiainana andavan'andro
Raha hisy fiakarany ny rotsak'orana dia mety ahitana fiakarany ihany koa ny rano. Isan'ny antony hanamarihan'ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro izany fa hisy fiantraikany amin'ny fiainana andavan'andro ity oram-be andrasana ity. Etsy andaniny dia mila mitandrina ihany koa satria heverina ny hisian'ny fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Tsara moa ny manamarika fa efa mandeha amin'izao fotoana izao ny fanentanana ny mponina mipetraka amin'ny toerana avo, toy ny eto Antananarivo. Entanina sy hampiomanina izy ireo amin'ny loza mety hiseho rehefa fotoan'ny orana toy izao. Miara-misalahy ao anatin'izany ny Vokovoko mena, ny Sampana mpamonjy voina, ny BNGRC ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.