• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina - 15 may : Nitsidika an'Antanifotsy, Mandoto ary Antsirabe I

15/05/2024 22:16 © Moov

Nanatanteraka fidinana ifotony sy fitsidihana ny disitrikan'Antanifotsy, Mandoto ary Antsirabe I ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny tontolo andron'ny alarobia 15 may.

Antanifotsy

Ny momba ny fananantany sy ny fahasalamana no nanamarihan'ny filoham-pirenena ny fandalovany tao Antanifotsy. Karatany miisa 34 500 no nozaraina ho an’ireo vahoaka avy amin’ny kaominina Ampitatafika, Soamanandrariny ary Ambatotsipihina. Tanjona amin'izany ny hisitrahan'ny vahoaka ny tany nohajariany na novidiany, hahafahany mampandroso ny fiainany andavan'andro. Nisy ihany koa ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny CSBII Manarapenitra tao an-toerana, izay hanolotra fitsaboana maimaimpoana ho an'ireo mponina.

Mandoto

Nisitraka tolotra mikasika ny fananantany ihany koa ny vahoakan'i Mandoto. Araka izany, olona miisa 5300 no nisitraka kara-tany.
Anisan'ny nanamarika ny fandalovan'ny filoham-pirenena tao Mandoto ihany koa ny fitokanana ny Tranompokonolona. Nangatahin'ireo mponina tamin'ny fitondram-panjakana ity toerana ity, ka izao vita soa aman-tsara izao ny asa. Azo andraisana lanonana isan-karazany ity toerana ity.

Ampasindava

Vita ary notokanana ny tetezana vaovaon'i Manandona. Eo amin'ny PK 186, amin'ny lalam-pirenena faha-7, no misy azy. Natao ity fotodrafitrasa ity mba hanamorana ny fivezivezen'ny entana sy ny olona. Tetezana vaovao lehibe azo ifanenana, mirefy 60 metatra ny halavany ary 07 metatra ny sakany ny tetezana Manandona. Roambinifolo volana ny faharetan’ny asa ary ny Banky Iraisam-pirenena no namatsy vola azy, amin’ny alalan’ny tetikasa PACT eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Nambaran'ny filoham-pirenena ihany koa fa hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny RN7, izay mampitaraina ireo mpitatitra sy mpandeha.
Tsy mifarana hatreo moa ny fidinana ifotony ataon'ny fitondram-panjakana. Hisy ny fihaonan'i Andry Rajoelina amin'ny vahoakan'i Fianarantsoa rahampitso 16 may.

Lire la suite

Articles Similaires