• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana : Niakatra 5,32% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana

15/05/2024 22:13 © Moov

Nifarana androany 15 may, araka ny voatondron'ny lalàna, ny fanavaozana ny rejisi-pifidianana nasionaly, izay ahitana ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika.

Nahitana fiakarany ny isan'ireo mpifidy, araka ny tatitra navoakan'ny CENI. Amin'izao fotoana izao dia 11 631 156 no isan'ny mpifidy voasoratra anarana raha 11 043 836 izany tamin'ny fanavaozana natao tamin'ny faran'ny taona 2023. Miisa 587 320 izany ny mpifidy fanampiny, ka ireo tanora vao feno 18 taona izay nahazo karapanondro no tena maro amin'ireo. 5,32 % izany ny taham-pitomboan'ny isan'ny mpifidy manerana ny Nosy.

Lamina tsara petraka

Ampy tsara ireo "imprimés sensibles" toy ny biletà tokana ampiasaina amin'ny 29 may, na eo aza ny fiakaran'ny isan'ny mpifidy. Efa natao mihoatra mantsy ny isa nafarana mba isorohana ny tsy fahampiana. Mifarana hatreo aloha ny fandraisana ny anaran'ireo mpifidy vaovao, ka mifantoka amin'ny fiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka amin'izay ny rehetra.
Roa herinandro eo ho eo sisa dia higadona ny datin'ny fifidianana depiote. Ampahatsiahivina fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny andron'ny 29 may, manerana an'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires