• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Distrikan’i Toamasina I : Nametraka ny filatsahan-kofidiany ny vovonana mpanohana ny fitondrana

08/04/2024 09:08 © Midi Madagasikara

Nisafidy ny andron’ny zoma tolakandro teo ny vovonana mpanohana ny fitondrana tamin’ny fandrotrahana ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ho an’ny distrikan’i Toamasina I.

Nahitana an-dRamatoa Naharimamy Irma Lucien izay loha-lisitra no sady efa solombavambahoaka teo aloha, sy Atoa Rafidison Richard Theodore izay governora ny faritra Atsinanana lisitra faharoa, no nanatitra izany teny amin’ny OVEC Toamasina I. Notronon’ireo vahoaka nasaina sy ireo mpanohana ary mpiara-miasa aminy izay nanara-dia azy ireo mpilatsaka ho fidiana ho an’i Toamasina I ireto, ka raikitra ny fampiderana ireo sorabaventy samy hafa manambara ny fanohanana sy fanekena azy ireo amin’ny solombavambahoaka eto Toamasina I izany. Nandritra izany koa no nilazan’ireto kandidà mpanohana ny fitondrana ireto fa tsy maintsy hiaro ny tombontsoan’i Toamasina sy Madagasikara eny Tsimbazaza izy ireo, ka hinoana araka ny filazany ny fahalalian’izy ireo mandritra ny fifidianana.

Talohan’izao anefa dia niatrika ny fanaovana tatitra ny asa natao tao anatin’ny efa-taona nitantanany ny faritra Atsinanana ny governora ; izay nambara fa miabo avokoa ny asa vita noho ny fiara-miasa teo aminy sy ny vahoaka nanatontosa. Ny vovonana miara-dia amin’ny fitondrana izany no voalohany nametraka ny filatsahan-kofidiana teo anivon’ny Ovec Toamasina I.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo