• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 1 hatramin'ny 7 aprily 2024

08/04/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nalaza nandritra ny herinandro voalohany tamin'ity volana aprily ity, izany hoe ny 1 hatramin'ny 7 aprily.

FIFA # Mitazona ny laharany i Madagasikara

Tsy nanova zavatra firy tamin'ny filaharana eo anivon'ny FIFA ireo lalao 2 teto an-toerana. Mijanona eo amin'ny laharana faha-109 ihany i Madagasikara. Misy firenena 4 iray vondrona amin'i Madagasikara amin'ny fifanitsanana Coupe du Monde 2026 kosa izay tena nandroso amin'ny laharana. I Mali ohatra dia nandroso isa telo ka lasa laharana faha-44. Azo lazaina fa mbola misy ny lesoka mbola tokony harenin'ny ekipam-pirenena malagasy, na dia eo aza ny fahaiza-manao izay tsy azo lavina. Mbola miandry ny valin'ny fitsirihana ny kianjan'ny Barea ihany koa ny mpitia baolina kitra rehetra.

Iftar # Nanotrona ny Silamo ny Filoham-pirenena

Niombom-po tamin'ireo mpino silamo nandritra ny sakafon'ny Iftar na fanapahana ny fifehezana mandritra izao ramadany izao ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nivoitra nandritra izany fotoana izany ny firaisan-kina sy ny firahalahiana hikatsaka ny soa iombonana ho an'i Madagasikara na dia samy hafa finoana aza. Nankasitraka manokana ireo mpino silamo moa ny Filoham-pirenena amin'ireo asa fampandrosoana eo amin’ny sehatra samihafa toy ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ireo asa sosialy isan-karazany. "Iray tsy mivaky isika Malagasy ary ao anatin’izay fahasamihafana izay no hahitana ihany koa ny angovo ho fanoitry ny fampandrosoana an’i Madagasikara".

Solombavambahoaka # Mifarana ny fisoratana anarana

Mifarana androany 8 aprily amin’ny 5ora hariva ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka eny anivon’ny OVEC manerana ny Nosy. Efa samy nahitana kandida na ny avy amin'ny antokon'ny fitondrana na ny mpanohitra, na ny tsy miankina.
Misy ireo minisitra amperin'asa no milatsaka ho fidiana. Ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy fikarohana Ara-tsiansa Dr Andriamanantena Razafiharison dia kandida ao Ampanihy Andrefana raha mirotsaka ho fidiana ao Ambositra ny Minisitry ny Mponina Haingo Nambinina.

Arina ekolojika # Fikambanana 7 mpamokatra ofisialy

95%n' ny tokatrano malagasy dia miankina tanteraka amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa. Noho izany indrindra dia manohana ny fampiroboroboana ny famokarana ny arina ekolojika sy fanamorana ny fanjifana izany eny anivon’ny fiaraha-monina. Fikambanana miisa 7 no nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny Ministeran'ny tontolo iainana : SAHAZA CHARBON, KARMA, MI’ARINA, CADRI, MI-ARINA, VEHIVAVY MAHERY, MADA ECO ENERGIE.
Paikady iray entina miady amin’ny famotehana ny ala tokoa mantsy ny hanaovana arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana.

CUA # Mitombo ny vola miditra

Miverina amin'ny CUA tanteraka ny fitakiana ny haban-tsena, izay nosahanin'ny SMGD teo aloha. Miato ihany koa ny fampiasana ny karatra "biométrique" izay nositrahan'ny 35%-n'ireo mpivarotra. Tao anatin'ny andro vitsy monja dia nitombo avo telo heny ny vola niditra tamin'ny kaominina. Voaloa ara-potoana ny karaman'ireo mpiasa rehetra tamin'ny volana marsa lasa teo. Mety mbola ho ampiasaina ihany ny karatra biométrique saingy miandry fandaminana vaovao.

CUA # Fanafainganana ny fahalovan'ny fako

Tafiditra ao anatin'ireo tetikasa fanadiovana an'Antananarivo ny fijerena ny fomba ahafahana manajary ny toerana itobian'ny fako eny Andralanitra. Miara-miasa amin'ny governemanta japoney ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka manolotra ny voka-pikarohana "Fukuoka". Izany teknika maoderina izany dia entina hanafainganana ny fahalovan'ny fako, amin'ny alalan'ny fampidirana rivotra. Mampihena ny fivoahan'ny entona maimbo mandoto ny tontolo iainana izany. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa GESDA tohanan'ny japoney moa izao fampidirana fomba fiasa vaovao amin'ny fitantanana ny fako izao.

Fiarovam-pirenena # Ady amin'ny fanaparitahana basy

Nitsangana ny vondron’ireo ratsamangaika samihafa hifehy ny sehatry ny fitaovam-piadiana, ny zoma 5 aprily lasa teo. Anisan’ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Foloalindahy azy ireo ny hamitana haingana ny fanovana ny lalàna mifehy ny basy, izay efa novolavolaina tamin’ny taona 2018. Misy ireo ambana maro mandindona izao tontolo izao, ary miova sy mihazakazaka mifanaraka amin’izany koa ny fivoaran’ny fitaovam-piadiana, ka izany indrindra no antony tokony handinihana ny olana sy hanaovana jery todika amin’ireo ezaka efa vita sy izay mbola tokony hatsaraina. Nojerena manokana ny rindran-tsaina hiadiana amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna eo amin’ny sehatry iraisampirenena sy eto Madagasikara.

Tanim-panjakana azo amidy # Atrikasa fandinihana fanavaozana lalàna

Nontosaina ny 03 hatramin'ny 06 Aprily teny amin'ny Espace Salohy Iavoloha ny atrikasa nasionaly handinihana ny fanavaozana ny lalàna laharana 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny tanim-panjakana azo amidy, ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ny fikambanana ara-dalana araka ny lalam-panjakana ary fandinihana ireo lalàna maro mahakasika ny fananan-tany. Tanjona ny fanangonana sy fandravonana ireo hevitra avy amin’ireo mpiasan’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany. Farany dia ny fandrafetana io volavolan-dalàna io, ny « police domaniale », ary ny « dématérialisation ».

100 andro # Tatitry ny Ministeran'ny Toekarena

Ny zoma 5 aprily lasa teo no nanatanterahan'ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny tatitry ny asa vitany nandritra ny 100 andro voalohany. Azo tsapain-tanana ny ezaka vita, dia ny fampiakarana ny lanjan'ny Ariary, ny fanatsarana ny "cession de devises" ary ny ampatsiahivana mahakasika ny "rapatriement de devises". Nasongadina manokana tao anatin'ny asa ihany koa ny fanatsarana ny Serasera mba hanamafisana izany fampatsiahivana izany sy ny fampirantiana ny asa izay natao tamin'ny alalan'ny ireo tambazotram-pifandraisana.

BTP # Fampiofanana maimaimpoana

Notontosaina ny sabotsy 6 aprily lasa teo ny fampiofanana maimaimpoana mikasika ny "BTP # Maçon polyvalent, aide maçon, manoeuvre", nokarakarain'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Ireo olona liana amin'ny asa momba ny fanamboarana trano no tena nahazo tombony tamin'izany. Mbola hitohy ny fampiofanana ho an'ireo any amin'ny faritra hafa. Afaka miasa avy hatrany ireo nahavita fianarana, na ireo efa niasa tao anatin'ilay sehatra na ireo vao hanomboka.

Ambatovy # Hivarotra zezika "Sulfate d'Ammonium"

Mbola misedra olana ara-bola hatrany ny orinasa Ambatovy noho ny fidinan'ny vidin'ny Nickel eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Mba ho fanohanana azy ireo, sady hamaliana ny filàna amin'ny famokarana zezika, hamokatra sy hivarotra "Sulfate d'Ammonium" ny orinasa. Hahazo tombony manokana ireo tantsaha malagasy any amin'ny tontolo ambanivohitra satria ho mora kokoa izany zezika izany raha mitaha amin'ny zezi-bazaha. Eto amin'ny tsena anatiny moa no hanaparitahana ny vokatra.

Toamasina # Jiolahy roalahy voasambotra

Ny 6 aprily lasa teo dia nisy andian-olona nikasa hanatanteraka fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny mpamongady iray tao Bazar Kely. Nidina teny an-toerana ny Polisy rehefa nahazo vaovao mikasika izany. Jiolahy miisa 06 no nanomana ny fanafihana saingy ny roa lahy no tra-tehaka raha tafatsoaka kosa ny namany miisa 04. Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia nahitana basy miisa 02, bala miisa 07 , antsy efatra ary ody gasy toy ny moara. Araka ny fantatra dia mpiasa tao amin'ity tranombarotra ity teo aloha ihany ny iray amin'ireo jiolahy.

Maroantsetra # Fanolanana zaza 11 taona

Lehilahy iray indray no voasambotry ny polisy tao Maroantsetra noho ny fanolanana zaza vao 11 taona tap Ankiakalava. Zana-badiny io zaza io, ary ny 28 marsa lasa teo no nitranga ilay fanolanana. Tra-tehaka teo am-panaovana ny fanao ratsy ralehilahy rehefa tsy teo ilay renin'ny zaza nefa sendra niverina tampoka tao an-trano. Norahonan'ity lehilahy ity ilay zaza sy ny reniny mba tsy hitantara ny zava-nitranga tamin'io andro io. Natolotra ny fampanoavana ny zoma 05 aprily lasa teo ny raharaha.

Itasy # Fanaraha-maso ireo mpanangom-bokatra sy mpivarotra

Raikitra ny ady amin’ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanangom-bokatra sy mpivarotra amin’ny alalan’ny fitaovam-pandanjana sy fandrefesana hiarovana ny tantsaha sy ny mpanjifa indrindra amin’izao fotoanan’ny fararano izao. Nanomboka tamin’ny volana Marsa dia olona 521 no tonga nitsara fitaovam-pandanjana teo amin’ireo kaominina 5 efa nandalovana dia i Soavinandriana, Ampefy, Ampary, Analavory ary Miarinarivo. Notazonina avy hatrany ireo fitaovana voaporofo fa tsy manara-dalàna. Tohizana any amin'ireo kaominina hafa anatin'ny distrika 3 ao anatin’ny faritra ity hetsika ity.

Ambohibary # Fanohanana ireo Vondron'Olona Ifotony

Ny Vondron’Olona Ifotony no mitantana ny tobin’ala ao Antsampandrano, faritra Vakinankaratra. Vahaolana maharitra hiarovana ity tobin’ala ity ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo mponina mba tsy hiankin-doha amin’ny fitrandrahana ny ala.
Ho fanohanana azy ireo amin’ny velon-tenany dia nandrotsahana zana-trondro “carpe” miisa 3200 tao amin’ny dobon'izy ireo, izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny DREDD Vakinankaratra sy ny Rainforest.

Morondava # Entana lany daty

Vokatra avy amin’ny ronono toy ny yaourt, fromazy, dibera efa lany daty no tratran’ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC ) Menabe tao an-tsenan’i Morondava ny 30 Marsa 2024 lasa teo. Tsy nazava na tsy ampy koa ny etikety tamin’ireo entana hafa toy ny kafe vovony sy bisky. Nogiazana ireo entana mampiahiahy. Tafiditra ao anatin'ny programan'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa izao hetsika izao.

Befandriana Avaratra # Fitsaram-bahoaka

Mirongatra indray ny fitsaram-bahoaka noho ny tsy fandriam-pahalemana. Lehilahy miisa roa, voalaza fa namono olona tao Ankobakobaka, no niharan'ny fitsaram-bahoaka ka maty voatetitetika, sady naboridana. Ny zoma 5 aprily teo no nisehoan'izany tranga izany. Efa teny an-tananan'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao ratsy saingy tsy namelan'ny fokonolona raha tsy maty. Tsara ny manamarika fa raim-pianakaviana iray no voatafika sady novonoina teo imason'ny vady aman-janany. Lasan'ireo olon-dratsy ihany koa ny vola sy ny omby.

Ankazobe # Opération Harato II

Hitohy araka izany ny "Opération HARATO II" izay efa nahitam-bokatra, iraisan'ny Tafika sy Zandary. Hametrahana “Poste fixe” ho an'ny Zandary ao Talata Angavo. Tsy maintsy fongorina mantsy ny tsy fandriampahalemana ifotony mba ahafahan'ny vahoaka miatrika ny fiainany am-pitoniana, araka ny nambaran'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry. Raha ny vokatra efa azo dahalo 21 no lavo, olona 82 isa no nampidirina am-ponja vonjimaika.

Nosy-Be & Mahajanga # Sambo Srilankais mpanjono tsy ara-dalàna

Sambo srilankais miisa telo no tratra nanjono tamin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. 4 500km miala an'i Madagasikara monja moa no misy an’i Sri-Lanka ka efa fanintelony no nisy sambo tsy ara-dalàna tra-tehak'ireo mpiambina. Tao avaratra andrefan’i Nosy-Be no nahatratrarana ny sambo iray, ary tany amin'ny faritra Diana kosa ny sambo roa.
Efa voatazona ao amin'ny seranatsambon’i Nosy-Be ny volana oktobra 2023 ny iray tamin'ireo sambo. Ireo sambo roa tratra ny faran’ny volana martsa kosa, dia voatazona eto amin'ny seranatsambon’i Mahajanga.

Rwanda # Voaasa manokana ny filoham-pirenena mivady

Nanotrona ny lanonam-pahatsiarovana ny faha telopolo taonan'ny famonoana ireo Tutsi ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny vadiny omaly 7 aprily. Notsarovana ny faha-telopolo taonan'ny ady an-trano izay namoizana aina an-tapitrisa tao an-toerana.

Efa ny 5 aprily ny delegasiona malagasy no nigadona tao Rwanda, ka nisy ireo fihaonana hifanakalozana traikefa sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Ny PDSn'Antananarivo, Richard Ramanambitana, ohatra, dia nihaona tamin'ny ben'ny tanàna tany Kagame.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo