• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Compagnie Gendarmerie Imerina Centrale
Image
Vaovao

RN4 : « Balle »-na rongony natao « colis » saron’ny zandary

05/04/2024 09:01 © Midi Madagasikara

Efa tsy tahotra tsy henatra intsony ! Nalefa « taxi-brousse » avy any Antsohihy ity zava-mahadomelina natao tsara fono, toy ireny « balle »-na « friperie » ireny ary efa nisy olona vonona handray azy taty an-drenivohitra. Tsy natao teny ambony tafo anefa fa natao tsara afina tao ambany seza (soute). Tsy nahasakana ireo zandary tsy ahita ny nafenina anefa.

Ny zandary misahana ny fifamoivoizana teto Antananarivo no nahazo ity vokatra ity, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tetsy Ampanotokana, raha nisava fiara fitanteram-bahoaka iray. Rongony maina milanja teo amin’ny 33 kilao teo no sarona tamin’izany, ny andron’ny talata lasa teo. Ho famongorana ireo karazana trafika isan-karazany miseho eny amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika dia misy hatrany ny fisavàna entana ataon’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana na ny BPR amin’ireo taxi-brousse sy fiara mifamezivezy amin’ireny lalam-pirenena ireny. Sendra izany indrindra ity fiara avy any Antsohihy ity. Voasava hatrany anaty « soute » ireo entana rehetra ka tamin’izany no nahitàna ity fonosàna lehibe miendrika « balle friperie ».

Tsy lamba velively anefa no tao anatiny fa rongony maina, vita fatratra sy voageja tsara. Rehefa nanontaniana ny tompony dia nilaza ny mpamily fa entana nalefa na « colis » izy io ary miandry azy ao amin’ny tobim-piantsonana Maki etsy Andohatapenaka ny tompony. Noraisim-potsiny fotsiny ihany koa araka izany ireto farany, olona miisa telo, izay niaiky fa azy ireo ity rongony be ity. « Notanana ambalan-tsazy ny fiara raha atolotra ny fitsarana izy telo mirahalahy.

Tsara ho fantatra fa helohin’ny lalàna ny fambolena, fampiasana, fitaterana sy ny fivarotana zavamahadomelina » hoy ny zandary.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo