• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Commune Rurale Alasora
Image
Vaovao

Tsy fisian-drano : Nigrevy Alasora, nisy voasambotra

05/04/2024 08:46 © Midi Madagasikara

Tsy mitsahatra ny misintona ny lakolosy fanairana izy ireo kanefa tsy nisy vokany izany. Efa manomboka mifampitaritarika ny mponina ao an-toerana vokatry ny tsy fisian-drano efa ho amam-bolana.

« Tsy misy intsony na indray mitete aza, kanefa ange dia tsy lavitra anay i Mandroseza. Tazana avy aty Alasora aza ny ranobe » raha araka ny fanehon-kevitra. Vokatr’izany fahasahirana izany omaly dia nihaona tamin’ny mpitantana ny tanàna ny solontenam-bahoaka ao an-toerana mba hitadiavam-bahaolana. Vita indray izay dia mbola nifamotoana izy ireo omaly hariva ary nanao karazana diabe fanairana. Efa endrika ivelany izany fa mitady hipoaka ny sarom-bilany saingy mbola ao anatin’ny fahendrena tanteraka no nanaovan’ny mponina ny hetsika fanairana. Ary dia tena tonga maro tokoa ireo vahoaka na dia tamin’ny tambajotra sosialy fotsiny aza no nifampiantsoana. Tapaka hatramin’ny làlana omaly alina ary teo no niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nisambotra ny mpanao fihetsiketsehana. Roa no voasambotra tamin’ny ora nanoratana ary mbola nifamahofaho be ny teny an-toerana.

Tsiahivina fa faritra maromaro teto an-drenivohitra koa no nivoaka ny trano ny olona ary nampirehitra afo teny amin’ny sisin’arabe mba hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra. Isan’izany ny tetsy Fort-Duchesne ny alin’ny talata teo. Isan’ny mahatezitra ny olona koa ny fandoavana ny hofan’ny kaontera kanefa ny rano aza tsy mandeha akory. Efa manomboka mivoaka ny hatezeran’ny olona noho ny afitsoky ny tsy fisian-drano. Mila arahina maso akaiky ity hetsika etsy sy eroa izay tena hatezeram-bahoaka fa tsy politika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo