• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Indostria sy ny tontolo iainana : Sehatra mifameno, niara-nitady vahaolana

04/04/2024 16:00 © Moov.Mg

Manana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasa mpamokatra. Eo anatrehan’izany dia nisy, androany, ny fiaraha-midinika teo amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), sy ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM).

Sehatra roa manan-danja

Avy amin’ny harena voajanahary ny ankamaroan’ireo akora fototra ilain’ny orinasa, izay ahodina ho lasa vokatra azo jifaina. Miteraka tsindry ara-tontolo iainana anefa ny fampiasana ireny harena voajanahary ireny. Etsy an-daniny, isan’ny tanjon’ny Fitondram-panjakana ny fampiroboroboana ny indostria, ka vao mainka hiantraika amin’ny tontolo iainana ny fijoroan’ny orinasa maro isan-karazany. Samy manan-danja anefa, na ny tontolo iainana, na ny indostria, izay samy antoky ny fampandrosoana. Ny fametrahana rindran-damina, mba tsy hamono ny andaniny sady tsy hahafaty ny an-kilany, no ilaina, satria samy mitondra voka-tsoa ho an’ny firenena daholo ireo sehatra roa ireo. Noho izany zava-misy mila fandanjalanjana izany, dia nihaona ny MEDD, notarihin’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, sy ny SIM, tamin’ny alalan’ny filohany, Rasamimanana Tiana.

Fiaraha-miasa

Niompana tamin’ny fitadiavam-bahaolana hiarovana ny tontolo iainana sady hampiroboroboana hatrany ny indostria malagasy, ny dinika teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’izany dia namelabelatra momba ny politikan’ny fanjakana mahakasika ny tontolo iainana, ny Minisitra. Ankoatra izay dia nisy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny SIM. Voaresaka tao anatin’izany ny fanafainganana ny fikirakirana ny antontan-taratasy ilain’ny orinasa, eo anivon’ny Ministera, ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, ny fametrahana fitaovana fanaraha-maso (système de tracabilité) amin’ireo akora ampiasaina, ny fitantanana ny fako indostrialy sy ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra, ny ady amin’ny doro tanety, ny tsena karbonina ary ny fomba fitsinjara ny tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary na ny APA.

Samy tomponandraikitra

Mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireo orinasa mpikambana eo anivon’ny SIM, Rasamimanana Tiana, ka vonona hifanome tanana amin’ny MEDD amin’ny fanatanterahana ireo teboka niaraha-nidinika. Mahakasika sehatra maro ireo orinasa mivondrona ao amin’ny SIM, toy ny fambolena, ny fikirakirana ny lamba, ny banky…. Mila miara-miasa mafy amin’ny sehatra tsy miakina ny Ministeran’ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, raha ny fanazavan’ny Minisitra, satria izy ireo no mamorona asa sy mampidi-bola vahiny eto amintsika. Mila fantarina ihany koa ny olana sedrain’ireo indostria sy izay azon’ny ministera atao mba ho fanampiana azy ireo. Fa eo ihany koa ny fampahafantaran’ny MEDD ny zavatra andrasana amin’ireto orinasa ireto, izay samy nifampidinihina androany avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo