• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Miaramilan’ny Fitiavana » : Sangan’asan’i Richianny Ratovo, miranty eny amin’ny Fondation H

04/04/2024 11:50 © Moov.Mg

Iray amin’ireo vehivavy 22 mampiranty ny sangan’asany eny amin’ny fondation H, ao anatin’ilay fampirantiana mitondra ny lohateny hoe : "Memoria : récits d'une autre Histoire" i Richianny Ratovo. Sary hosodoko lehibe iray, maneho fihetseham-po lalina, no entiny misintona ny maso sy ny ati-fanahin’ireo mpitsidika.

Mpiangaly ny asa sary

Mpandresy tamin’ny fifaninanana Prix Paritana 2021, izay fandaharanasan’ny Fondation H, i Richianny Ratovo. Nanomboka teo dia nisy hatrany ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Rehefa nahita ny sangan’asany i Nadine Hounkpatin sy i Céline Seror, ireo Kaomiseran’ny kanto miandraikitra ity fampirantiana "Memoria : récits d'une autre Histoire" ity, dia niantso azy mba ho isan’ireo mpandray anjara. « Fanararaotra lehibe loatra izany ka tsy nisalasala aho, hoy i Richianny Ratovo. Mifanojo amin’ny fomba fiasako rahateo no sady mitovy ny fomba fijery, ka nanaiky aho ». Ity andriambavilanitra mpanakanto malagasy ity moa dia miangaly ny asa sary amin’ny ankapobeny, indrindra ny hosodoko, fa manao sary sokitra amin’ny endriny isan-karazany ihany koa izy. « Faly aho, satria sambany no misy fampirantiana goavana mivelatra amin’ny iraisam-pirenena toy iza, hoy i Richianny Ratovo. Faly ihany koa aho fa afaka mifampizara amin’ny artista maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany. »

Teknika maro sy miavaka

Mizara sampana telo ny fampirantiana "Memoria : récits d'une autre Histoire", ka ilay miresaka momba ny fihetseham-po anaty, izay nomena ny anarana hoe : « De l’intime à l’universel », no nanasokajiana ny sangan’asan’i Richianny Ratovo. Sary hosodoko lehibe iray mameno lafin-drindrina iray manontolo izy io. Hosodoko rano (peinture acrylique) no natentina teo ambony lamba soga ary nohaingoina paikafo. Tao ambadika kosa dia nopetapetahina taratasy sy takelaka liezy (feuille de liège). Izany teknika rehetra izany no namoaka sangan’asa lalina sy mahalasa eritreritra. Lalina tahaka izany koa ny hevitra avoakany. « Miaramilan’ny Fitiavana » (Soldat de l’amour) no anarana nampitondrain’i Richianny Ratovo azy. « Maneho fotoana iray manokana ity hosodoko ity, ilay mampanontany tena irery hoe : mahay manolotra fitiavana ve aho sa mahay mandray fitiavana », hoy ny fanazavan’ny mpanakanto. « Saika mandalo fotoana hametrahana fanontaniana momba ny fitiavana daholo ny olona rehetra, satria ny fitiavana indraindray manahirana, indraindray mahafinaritra », hoy hatrany izy.

Manomboka androany, ary mandritra ny 10 volana eo ho eo, no hiranty ao amin’ny Fondation H Ambatomena Analakely ny sangan’asan’i Richianny Ratovo sy ireo andriambavilanitra 21 hafa. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaim-poana izany fampirantiana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo