• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Toliara : Loza an-dranomasina tao Andaboy

04/04/2024 08:26 © Midi Madagasikara

Efa hita ny razana iray Tafiakatra an-tanety androany alarobia maraina tao Andaboy Toliara ny nofo mangatsiakan’ilay lehilahy nivadika tamin’ny lakana ny alatsinain’ny paska teo rehefa tsy hita fa natelin’ny rano efa ho roa andro lasa izay.

Nahitana rà tamin’ny lohany nandritra ny fahitana ny razana ary olona manana fahasembanana ara-batana izy io raha ny fahitana azy. Mbola mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ireo manam-pahefana mahakasika ny mety nahatonga ny loza

Efa hita ihany koa ny nofomangatsiakan'i Tovondrainy Felix 20 taona izay jamba ka natelin’ny rano tao Andaboy ihany koa ny alatsinain’ny paka teo, rehefa nilomano niaraka tamin’ireo namany jamba toa azy. Fantatra moa fa dia athleta fanta-daza eo amin’ny fanatanjahantena natokana ho an’ny sembana i Tovondrainy Felix, satria anisan’ny nandray anjara tamin’ny tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo izy izay nahazahoany Medaly volamena teo amin’ny 100 metatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo