• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tarika Reko ao Antsahamanitra : Ho avy hanotrona azy ireo i Mirado sy i Bolo

03/04/2024 13:55 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nisiany tanteraka ny tarika Reko. Fandaharam-potoana manaraka ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo ny alahady 7 aprily izao, ao Antsahamanitra.

Fitetezam-paritra Reko Tour

Ny alahady 17 desambra 2023 no nanatanterahan’ny tarika Reko ny fampisehoana voalohany nanokafana ity tsingerin-taona fahadimin’izy ireo ity, teny amin’ny CCESCA Antanimena. Nitohy tamin’ny Reko Tour izany, izay nitetezan’izy ireo tanàn-dehibe 5. Nanararaotra nampahafantatra ny raki-peon’izy ireo nivoaka farany, mitondra ny lohateny hoe : « Misia » ihany koa ny tarika, nandritra izany. Hiverina hisehatra eto Antananarivo indray i Fy, Diary, Zazah, Princia ary i Mendrika, ka nisafidy ny sehatra maitson’Antsahamanitra, izay toerana mivelatra kokoa, ahafahana mihaona amin’ireo mpankafy rehetra. Ny alahady 7 aprily ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, no hanatanterahana ity fampisehoana ity. Vahiny nasain’izy ireo, hanatanteraka ny tapany voalohany amin’ity fampisehoana ity, i Mirado sy i Bolo. Afaka manantena fampiaraham-peo tsy mbola nisy hatramin’izay, araka izany ireo mpankafy, fa mbola tsy an-kiteniteny aloha hatreto ny mombamomba izany !

Tetikasa Reko Boky

Manamarika ny faha-5 taonan’ny tarika Reko ihany koa, ny tetikasa « Reko Boky ». Manentana ireo mpankafy ny tarika, mba hanolotra boky izay mety hahaliana ny ankizy. Angonin’izy ireo izany ary hozaraina any amin’ireo toerana alehan’izy ireo hanatanterahana fampisehoana. Fandraisan’anjaran’ny tarika Reko amin’ny fampandrosoana ny firenena izany, izay mifandrohy mivantana amin’ny fanabeazana, araka ny nambaran’izy ireo. Mifanojo indrindra amin’ny vinan’ny Telma Madagascar ihany koa izany, izay isan’ny mpanohana izao fampisehoana karakarain’ny Studio 58 izao. Tsy ny mpanakanto mendrika tahaka ny tarika Reko ihany no omen’ny Telma tosika, fa misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana ihany koa ity orinasa ity, ka isan’izany, ohatra, ny tetikasa Sekoly Telma, hoy ny fanazavan’i Henintsoa Randrianjatovonarivo, tomponandraikitry ny seraseran’ny orinasa.

Aorian’ity fampisehoana eny Antsahamanitra ity dia mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny tarika Reko. Mitohy ihany koa ny fanangonana ireo boky, ka azo atao ny manoratra amin’ny hafatra miafina ao amin’ny pejy Facebook-n’ny tarika, na manatitra izany boky izany mivantana, mandritra ny andron’ny fampisehoana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo