• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Paska ieren-doza 2024 : Fiara manodidina 10.000 isa no voasava

03/04/2024 09:23 © Midi Madagasikara

Azo lazaina fa tratra ny tanjona napetraky ny Foibe fitsaràna fiarakodia ny amin’ny ahafahan’ny rehetra mankalaza ny fetin’ny Paska anaty filaminana ho lavitry ny loza.

Nandritry ny herinandro teo mantsy dia nametraka paikady manokana ireo mpitantana, izay niarahan’izy ireo nisalahy niaraka tamin’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana sy ny mpitandro filaminana ka nametrahana toerana nitsirihana tampoka ireo fiara mifamezivezy amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika. Araka ny antontan’isa nomen’izy ireo, nanomboka ny 25 martsa lasa teo, ka nifarana ny alatsinain’ny Paska lasa teo, dia voalaza fa fiara manodidina ny iray alina latsaka kely teo no voasava sy voatsirika. Tao anatin’izany ny fiara tsotra, ny fiara fitateram-bahoaka ary ny fiaram-panjakana. Ny fiara tsotra dia manodidina ny 6685 isa no voatsirika, ka ny 1017 no tsy afaka (inapte), niisa 228 kosa ireo voatery nampidirina ambalam-pamonjana noho ny antony maro isan-karazany. Ho an’ny fiaram-panjakana kosa dia niisa 46 izy ireo no voatsirika teny an-dalana, ka niisa efatra ireo tsy nanara-dalana tamin’izany. Teny anivon’ireo tobim-piantsoan’ny fiara mpitatitra ihany koa dia nametrahana fitsirihana manokana, fiara manodidina ny 2540 no voasava ary ny 228 no voasintona taratasin’ny fiara sy nasaina nanamboatra ireo zavatra hita fa tsy nety. Araka ny fanazavana azo dia ireo singa ara-teknikan’ny fiara, izay miantoka tanteraka ny ain’ireo olona mpitondra sy entina no tena notsirihana : ny teo amin’ny familiana, ny hisatra, ny kodiarana, ny jiro mazava loatra (LED) ary ny fampiasàna fitaratra maizina tsy nahazoana alalàna. Santatra am-bava-rano ihany ity paik’ady vaovao napetraka ity, araka ny fanazavana azo ary ho atao fanao, indrindra fa amin’ny fotoana hisian’ny fifamezivezena betsaka, toy ny amin’ny andro fety sy fialan-tsasatra lehibe ary ireo karazana fotoan-dehibe ara-pinoana.

Tanjona moa, raha tsiahiviana foana dia hanenana araka izay tratra ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana ary hiarovana ny ain’olona sy ny fananany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo