• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Picasa
Image
Vaovao

BTP : Fampiofanana maimaimpoana ho an'ireo te hiasa amin'ny fanaovana trano

02/04/2024 23:05 © Moov

Mitohy hatrany ny fanampiana ny tanora amin'ny fahazoana asa mahavelona, tontosain'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa. Amin'ity indray mitoraka ity dia ireo liana amin'ny sehatra BTP no hahazo tombony.

Manao antso avo ho an'ireo te hiasa amin'ny fanamboarana trano ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa. Hisy mantsy ny fampiofanana maimaimpoana mikasika ny "BTP # maçon polyvalent, aide maçon, manoeuvre" ny sabotsy 6 aprily ho avy izao. Ireo manana fahavononana hiasa amin'io sehatr'asa io no antsoina araka izany.
Ferana ho 100 ny isan'ny mpandray anjara. Mba hahafahan'ireo tompon'andraikitra manatanteraka sivana dia misy ny fametrahana antontan-taratasy ao amin'ny biraon'ny Ministera eny Ampefiloha, ny alarobia 3 aprily, izany hoe rahampitso. Afaka misoratra anarana avokoa na lahy na vavy, 18 hatramin'ny 50 taona, salama tsara. Tahaka ny mahazatra dia hisy ny fizarana sertifikà amin'ny faran'ny fiofanana, mba hahafahan'ireo mpandray anjara mitady asa na manangana ny orinasakeliny avy hatrany.

Marihana fa ity fampiofanana ity no voalohany mikasika ny BTP, raha ny resaka zaitra sy ny "métiers du web" no tena nomen-danja hatramin'ny fiandohan'ny taona. Santatra ihany ity eto Antananarivo ity fa mbola ho avy miandalana ny fampiofanana ireo any amin'ny faritra.


Copyright Image : © METFP

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo