• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fahasimbana vokatry ny rivodoza Gamane : Hanomboka ny asa fanamboarana any Avaratra

02/04/2024 18:43 © Moov

Namela takaitra goavana ho an'ny mponina any Avaratra sy Atsinanana ny fandalovan'ny Rivodoza Gamane, ny herinandro lasa teo. Maro ireo very fananana, ary tsy vitsy ireo fotodrafitrasa simba.

Fiverenan'ny fifamoivozana amin'ny laoniny

Efa nisokatra ho an’ny fifamoivoizana nanomboka ny faran’ny herinandro teo ireo ampahan-dalana tapaka any Avaratr’i Madagasikara, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gamane. Voakasik’izany ny lalana eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana, lalam-pirenena fahaenina (RN6) sy ny eo anelanelan’Ambilobe sy Sambava, RNS5A. Azo aleha tsara ny lalana na dia hita fa misy fahasimbana aza. Tsy tokony ahiana araka izany ny famatsiana entana amin'ireo toerana ireo.

Fanarenana ireo fotodrafitrasa simba

Hanomboka amin’ity herinandro ity kosa ny asa fanarenana vonjimaika ireo tetezana tapaka noho ny ranobe nateraky ny rotsak’orana be loatra. Anisan’izany ny tetezan’i Manankolana, RNS5A, sy ny tetezan’i Mahavavy sy Ifasy, RN6. Tsy maintsy niandry ny fidinan’ny ranobe, ny sabotsy teo, vao afaka nanao fitiliana na constat ireo tomponandraikitry ny Asa Vaventy. Nitohy androany 02 aprily ny fitsirihana hanombanana ireo fahasimbana sy hitondram-bahaolana maharitra.
Ho an’ny tetezan’i Manankolana, PK 99 RNS5A, dia efa amperin’asa ny orinasa CRBC nanomboka ny alahady teo, araka ny voalazan’ny Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy, Atoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob. Tsy ny tetezana moa no simba fa ireo lalana miditra sy mivoaka ny aminy, araka ny fitsirihana natao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo