• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny ala : Manohana ireo mpamokatra saribao ekôlôjika ny ministeran’ny Tontolo Iainana

02/04/2024 15:11 © Moov.Mg

Mihamitombo isa ny Malagasy ary mitombo miaraka amin’izany ihany koa ny filàna amin’ny arina fandrehitra. Mila fandraisana fanapahan-kevitra izany, mba tsy haharingana tanteraka ny ala. Vahaolana maharitra ny fampiasana ny saribao ekôlôjika.

Miankina amin’ny arina fandrehitra

Mpamokatra matianina arina ekôlôjika miisa 7 no hiara-hiasa amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy manomboka eto, dia ny SAHAZA CHARBON, KARMA, MI’ARINA, CADRI, MI-ARINA, VEHIVAVY MAHERY ary ny MADA ECO ENERGIE. Vita androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany, tetikasa hotanterahina ao anatin’ny 2 taona. Manohana ara-teknika sy ara-bola izao fiaraha-miasa izao ny Fikambanana AIDES Développement. Paikady iray entina miady amin’ny famotehana ny ala hanaovana arina fandrehitra, ny fampiroboroboana ny arina ekolojika. Eto Madagasikara mantsy dia mbola miankina betsaka amin’ny fampiasana arina fandrehitra ny 85%-n’ny tokantrano, fa vitsy ihany no mampiasa ny entona na ny herinaratra. Tanjon’izao fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa izao ny fampiroboroboana ny famokarana ny arina ekolojika sy ny fanamorana ny fanjifana izany eny anivon’ny fiarahamonina.

Tombontsoa maro

Ahazoana tombontsoa betsaka ny fampiasana ny arina ekôlôjika. Voalohany amin’izany, mora kokoa ny vidiny, satria 700 Ar na 800 Ar ny mason-karena, hoy ny fanazavan-dRandriamamonjy Marie, talen’ny orinasa CADRI, ary amidin’ny mpivarotra antsinjarany 1000 Ar hatramin’ny 1 200 Ar ny kilao. Raha ny vidin’ny saribao mahazatra anefa, amin’izao fotoana izao, dia manodidina ny 2 000 Ar vao mahazo. Mahery ny afo entin’ny saribao ekôlôjika, hoy hatrany izy, ka latsaky ny 1kg dia mahavita sakafo tontolo andro ho an’ny fianakaviana ahitana olona 5 na 6. Misy fihenana ny fandaniana ara-bola. Ankoatra izay dia tsara kokoa ho an’ny fahasalamana ity karazana saribao ity, noho izy tsy mandoto rivotra raha mitaha amin’ny saribao mahazatra. Fa ny tena zava-dehibe, dia izy miaro ny tontolo iainana. Santatra am-bavarano ihany izao, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana, Fontaine Max Andonirina, fa ezahina haparitaka manerana ny Nosy izao fiaraha-miasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo