• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Vonjy voina : Olona 4 no namoy ny ainy ny alatsininin’ny Paska

02/04/2024 13:37 © Moov.Mg

Aina nafoy miisa 4 no voarakitry ny Sampana Mpamonjy Voina eny Tsaralalàna, nandritra iny fetin’ny Paska iny, voina izay niseho nandritra ny alatsinainin’ny Paska avokoa.

Fifanosehana teny Antsonjombe

Amin’ny ankapobeny dia nilamindamina ny teo anivon’ny Sampana Mpamonjy Voina Tsaralalàna, ny andron’ny alahady, araka ny tatitra voaray avy eo anivon’ity Sampana Mpamonjy Voinan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Fiara iray no nirehitra sy novonjena teny Mahazo, fa tsy nisy ny aina nafoy, na ny olona naratra. Olona niisa 4 kosa no nentina namonjy toeram-pitsaboana. Ny alatsinainin’ny Paska, fotoana fitsangatsaganana, no navesabesatra, satria vao maraim-be dia efa nisy ny famonjena trano may teny andohan’i Mandroseza. Nisy trano nirodana tohatra ihany koa teny Ambohimanarina, ka nila fanavotana ireo olona tavela tany amin’ny rihina. Niisa 7 kosa ireo olona nentina namonjy toeram-pitsaboana, ka ny 4 tamin’ireo dia voina vokatry ny fifanosehana nandritra ny fampisehoana notontosaina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe.

Hamamoana tafahoatra

Ireo tranga nahafatesan’olona niisa 4 dia samy tamin’ny alatsinainin’ny Paska avokoa. Lehilahy maty an-drano teny Ambohitrimanjaka ny iray, zaza amam-bolana, sempotry ny hafanana teny Ambohijatovo ny iray. Ny roa kosa dia ireo roa vavy kely maty an-drano teny Mantasoa. Araka ny fanazavan’ny Mpamonjy voina, dia teo am-piomanana sy fitadiavana fomba handehanana any Mantasoa izy ireo no naharay antso fa efa tafavoaka avy ao anaty rano ireo razana. Etsy an-daniny, olona iray ihany koa no fantatra fa namoy ny ainy, noraisin’ny Sampana Vonjy Taitra eo anivon’ny CHUJRA Anosy. Vehivavy izy io ary ny fisotroana tafahoatra no nitarika nny fahafatesany. Nisy olona 7, ankoatra izay, no niditra teo anivon’io Sampana Vonjy Taitra io, noho ny hamamoana tafahoatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo