• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mbolatiana Raveloarimisa – Autisme Madagascar : Mbola sarotra ny fampananana asa ny olona « autiste »

02/04/2024 11:17 © Moov.Mg

Raha ireo ankizy « autistes » no niompanan’ny tolona nataon’ny fikambanana Autisme Madagascar tany aloha, dia efa miroso amin’ny fandinihana ny ho avin’ireo olona « autistes » tanora sy zokiolona ny fikambanana ankehitriny. Araho ary ny resadresaka nifanaovana tamin’i Mbolatiana Raveloarimisa, filoha mpanorina ny fikambanana, ao anatin’izao andro eran-tany ho fampahafantarana momba ny « autisme » izao.

Aiza ho aiza izao ny momba ny fahafantaran’ny Malagasy ny atao hoe : « autisme » ?

Azo lazaina ho efa mihamandroso ihany, raha ny zava-misy tao anatin’izay 10 taona nijoroan’ny Autisme Madagascar izay. Efa mihabetsaka ny olona mahalala hoe : misy ny « autisme », manahoana ny fitrangany. Nisy ihany koa ny sekoly sy ny fikambanana maro izay niforona, ka vonona ny handray an-tanana ireo olona « autistes ». Raha ny fihazakazahan’ny fitombon’ny olona « autiste » anefa, raha ny filàn’izy ireo sy ny fianakaviany ihany koa, eo amin’ny lafiny fianarana, fahasalamana sy ny maro hafa, dia tena mmbola tsy ampy ny ezaka vita.

Inona no tena olana goavana atrehina ankehitriny ?

Tany am-piandohana dia niezaka nikarakara ny momba ny ankizikely « autiste » ny fikambanana. Amin’izao anefa dia ady vaovao mihitsy ny momba ireo zatovo, olon-dehibe sy zokiolona « autiste ». Tsara tadidiana mantsy fa toe-tena ny « autisme ». Tsy misy ny fahasitranana, fa entina mandramaty. Etsy an-daniny, mbola azo isaina amin’ny rantsan-tanana ila ny sekoly sy ivon-toerana mandray olona « autiste », ary tena olana indrindra ny fahafahana mampiditra azy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Ny ray aman-dreny anefa, tsy ho eo mandrakizay. Ka ho aiza ary ireo olona « autistes » rehefa tsy eo intsony ireo ray aman-dreniny ?! Izany no antony ilàna ny fampahaleovan-tena azy ireny. Tsy maharaka anefa ny Fitondram-panjakana eto amintsika, amin’ny fandraisana didy sy fametrahana tambajotra, na ivon-toerana hahafahana mandray an-tanana tanteraka ireo olona « autiste », dieny mbola kely mandrapaha-antitra azy ireny.

Misy asa manokana tanterahin’ny Autisme Madagascar ve eo amin’izay lafiny fampananana asa ny « autiste » izay ?

Miara-miasa amin’ny fikambanana maro sy orinasa maro ny Autisme Madagascar, ao anatin’ilay hetsika Lab’Handicap, izay manana tanjona ny hampiaty ireo olona manana fahasembanana any amin’ny sehatra maro. Nodinihina tao anatin’izany ny fomba ahafahan’ireo orinasa lehibe eto amintsika mandray ny olona manana fahasembanana rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny olona « autiste ». Efa misy orinasa mpiara-miasa, mandray tsikelikely ny olona « autiste » hiasa ao aminy, misehatra amin’ny fandraisam-bahiny, ny fikirakirana ny lamba, ny fanafody… Any Antsirabe dia misy ny ezaka ato hampidirana ny ankizy « autiste » eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Matetika no asaina mirona amin’ny asa tanana ny olona manana fahasembanana, nefa mety manana fahaiza-manao hafa izy ireny, toy ny teknôlôjia maoderina, izay matetika no ananan’ny olona « autiste » fahaiza-manao manokana.

Sao misy fanentanana manokana amin’izao andro eran-tany ho fampahfantarana momba ny autisme » izao ?

Antso avo no atao, miantefa amin’ny Fitondram-panjakana. Fotoana izao ametrahana drafitra ho an’ny « autisme », toy ny nametrahana ny dafitra ho an’ny olona varira, mba hiantohana ny fiahiana ny olona « autiste ». Tena ilaina ny mametraka ny fiantohana ara-tsosialy (couverture sociale) ho an’ny olona manana fahasembanana rehetra, indrindra ny fahasembanana tsy hita maso. Mbola tena ilana ezaka be ny fampiatiana ny olona manana fahasembanana amin’ny ankapobeny, sy ny olona « autiste » manokana, amin’ny sehatra maro.

Nomarihina tamin’ny hetsika « carnaval » sy « flash mob », niainga teny Ambohijatovo, nandalo an’Anosy ary nihazo an’i Mahamasina, ny andro eran-tany ho fampahafantarana sy fanentanana momba ny « autisme », ho an’ny fikambanana Autisme Madagascar eto Antananarivo, androny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo