• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Toekarena manga : Nosokafana androany ny fotoam-panjonoana mahaloky

01/04/2024 11:17 © Moov.Mg

Nosokafana androany tany amin’ny Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA ny fanjonoana ny tondro mahaloky na « maquereaux ». Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert.

700 hatramin’ny 900 taonina

Rehefa fiandohan’ny volana aprily toy izao, isan-taona, no misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanjonoana ny karazana hazan-dranomasina antsoina hoe : mahaloky, any amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara. Tany Ampasindava, Anjamanoro, any Nosy Faly, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA, no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy, androany maraina. Raha ny tamin’ny taona lasa dia nahatratra 700 ka hatramin’ny 900 taonina ny vokatra mahaloky azo, teo anelanelan’ny volana aprily ka hatramin’ny volana jona. Nahita 18 taonina ny vokatra, tamin’ny andro voalohany nisokafan’ny jono, raha manodidina ny 03 ka hatramin’ny 05 taonina kosa ny trondro mahaloky voajono isan’andro, amin’ny ankapobeny.

Misedra olana ny famoaham-bokatra

Ho an’ity taona ity manokana dia misedra olana ny sehatry ny jono mahaloky dieny ety am-piandohan’ny fotoam-panjonoana, vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Gamane tany amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny. Mety hananosarotra mantsy ny fandefasana ny vokatra mankany SAVA sy ivelan’ny Faritra DIANA, noho ny fisian’ireo lalana tapaka. Amin’izao aloha dia ampiasaina avokoa ireo « complexes des pêches » rehetra any Avaratra, izay ahitana efitra mangatsiaka (chambres froides) azo itahirizana ireo vokatra tsy lafo. Ankoatra ny fanokafana ny jono mahaloky dia nandalo tany Nosy be ihany koa ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, nijery ireo toerana misy fambolena lomotra sy fiompiana dingadingana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo