• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 25 hatramin'ny 31 marsa 2024

01/04/2024 07:43 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 25 hatramin'ny 31 marsa 2024

Tsena Paka # Ny gana no tena nandeha

Ny gana no betsaka mpisafidy tamin'ny fetin'ny paska, araka ny nambaran'ireo mpivarotra akoho amam-borona teny amin'ny Tsena Soamanatombo Anosy. Efa mahazatra loatra mantsy ny akoho, ka ny gana indray no azo anaovana hanimpitoloha tsara. Ny gisa sy ny vorintsiloza rahateo tena lafo, satria 70 000 ariary izany raha mora indrindra. Nisy ireo nikarama namolo sy nitetika vorona.
Raha ny hita ny sabotsy lasa teo, mbola tsy lany ireo entana nalain'ireo mpivarotra namidy tamin'ity fety ity. Tsy misy nefa ny fatiantoka satria mbola azo amidy hatrany ireo vorona amin'ity herinandro ity.

29 marsa # Fanamarihana teny Mausolée

Teny amin'ny fasan'ny Maherifo Avaratr'Ambohitsaina no nanatanterahana ny fanamarihana ofisialy ny fahatsiarovana ny Tolom-panafahana 1947. Nametraka voninkazo ny fitondram-panjakana, notarihan'ny Filohampirenena sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nisy ihany koa ny famindrana ny Fanilo tamin'ireo taranaky ny mpitolona. Tsy adino ny fanomezana solombodiakoho sy vatsy ho an'ireo bekotro maroholatra. Taorian'ny fanamarihana teny Mausolée moa dia tsy nihazo an'i Moramanga ny Filohampirenena fa nihazo avy hatrany an'Ambilobe. Ny teny amin'ny Tsangambaton'Ambohijatovo indray dia ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nanatontosa ny fanateram-boninkazo.

Nomerika # Fanamorana ny fampiasana internet

Manohana hatrany ny fampiroboroboana ny nomerika ireo tambazotram-pifandraisana miisa telo eto Madagasikara. Nisy ny fanafoanana tolotra manokana nifantoka tamin'ny tambazotra sosialy, mba hanamorana ny fisitrahana internet. Manomboka izao, mitovy ny vola aloha na inona na inona kirakiraina amin'ny internet. Tsy voatery hijanona amin'ireo tambazotra sosialy ireo mpampiasa internet fa mivelatra amin'ny fikarohana maro. Raha hijery horonantsary ohatra dia afaka mampiasa YouTube. Marobe ihany koa ireo tranokala azon'ireo mpianatra sy mpiasa trandrahina tsara.

Ekonomia # Tafiditra amin'ny AGOA hatrany i Madagasikara

Mamelona malagasy aman'alina ny fanondranana entana any Etazonia, amin'ny alalan'ny tsena AGOA. Anisan'ireo firenena dimy voalohany nanondrana betsaka indrindra i Madagasikara hatramin'ny taona 2021. Nihaona tamin'ny iraka manokan'ny kaongresy amerikana izay manao tombana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny AGOA izay indrindra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy 28 marsa lasa teo.
Efa nisy moa ny fanavaozana ireo didy aman-dalàna mikasika ny fampiasam-bola sy ny varotra ary ny tontolon'ny fandraharahana. « Mametraka fanantenana betsaka amin'i Madagasikara izahay » hoy Andriamatoa Jason Smith, izay nitarika ny Delegasiona amerikana.

HCC # Raharaha Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona

Ny alakamisy 28 marsa lasa teo no nivoaka ireo didy nanala an'i Christine Razanamahasoa tsy ho solombavambahoaka intsony, ary nanaisotra tamin'i Herimanana Razafimahefa ny fahefana maha-senatera azy.
Tamin'io andro io no saika hanatanterahana ny fitsarana "audience publique" momba ny raharaha Filohan'ny Antenimierampirenena, saingy tsy nety nanatrika izany ny tenany. Noraisina araka izany ny fitoriana napetrak'ireo solombavambahoaka IRD. Ny alahadin'ny paka teo dia mbola niarahaba ny vahoaka malagasy i Christine Razanamahasoa, ary tsy naneho hevitra mikasika ny didim-pitsarana mahakasika azy manokana.

Politika # Fanendrena olom-panjakana ambony

Ny 27 marsa teo, voatendry ho Sekreteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana Andriamatoa Andriamanohisoa Gérard.
Ny 28 marsa teo, voatendry ho Senateran'i Madagasikara Andriamatoa Rabetsaroana Willy Sylvain, manolo ny toeran'i Herimanana Razafimahefa.

Ambohimangakely # Ramatoa mpivarotra rongony mpamerin-keloka

Tra-tehaky ny polisy indray ny renim-pianakaviana iray mpivarotra rongony. Efa in-telo nigadra noho io asa ratsiny io moa izy. Fito volana no nikarohana azy ka izao tratra teo amin'ny zaridainan'Ambohimangakely izao indray. Efa nanova bika sy endrika mihitsy ranamana mba tsy hisy hahafantatra azy. Nisy lehilahy roa izay tratra nifoka rongony no nanoro ilay mpamatsy azy ireo.
Ho atolotra ny fitsarana indray izany ny tenany, ary azo antoka fa hidoboka am-ponja indray.

Antsirabe # Tanora nahavita fiofanana mikasika ny "Métiers du Web"

230 no isan'ireo tanora nanaraka ny fifofanana maimaimpoana, mikasika ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe (formation de masse) amin’ny “Métiers du Web” tao Antsirabe. 80%n'izy ireo no hiasa tena avy hatrany, ka hiroso amin'ny "freelancing". Nanangana “plateforme en ligne” (FreelancerMadagascar.Com) koa ireo tanora ireo mba hahafahany mampahafantatra ny fisiany sy ny fahaiza-manaony amin’ny tsena iraisam-pirenena. Notolorana sertifikà fanamarinana ny fahavitan'ny fiofanana izy ireo.

Ambilobe # Potiky ny rivodoza Gamane

Namela takaitra mavesatra ao Ambilobe ilay rivodoza Gamane. Dibo-drano tanteraka ny tanana ka 95%-n'ny fambolena dia potika avokoa. Ny zoma 29 marsa teo no nidina teny ifotony ny delegasiona notarihan'ny Filohampirenena Andry Rajoelina sy ny zanany. Misy ny fizarana sakafo sy entana vonjy aina ilain'ireo mponina traboina. Apetraka ihany koa ny fitsaboana maimaimpoana indindra hisorohana ny mety ho aretina azo manoloana ny fiakaran'ny rano. Laharam-pahamehana ihany koa ny fanarenana faran'izay haingana ireo fotodrafitrasa simba indrindra fa ireo tetezana sy lalana mba hahafahana mamerina amin’ny laoniny fifamoivozana.

Ambanja # Fahatratrarana mpiondrana an-tsokosoko

Olona 25 saika hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte no saron'ny zandary tao Ambanja ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Mazava ho azy, tsy nisy nanana taratasy fahafahana mivoaka an'i Madagasikara ireo olona ireo. 4 ihany moa no teratany Malagasy. Matetika moa dia noho ny antony arak'asa no mahatonga ireo olona mivezivezy an-tsokosoko toy izao. Ao anatin’ny famotorana ireo voakasika ireo ny Zandary ao Ambanja ankehitriny. Andrasana ny tohin'ny raharaha.

Anjozorobe # Famokarana menaka voanjo sy soja

Mandroso hatrany ny tetikasa ODOF Taniketsa Indostrialy tontosain'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotr. Notokanana ny 28 marsa lasa teo ny fanolorana ny milina fanamboarana menaka. 𝖠𝖿𝖺𝗄𝖺 𝗆𝖺𝗇𝗈𝖽𝗂𝗇𝖺 𝗏𝗈𝖺𝗇𝗃𝗈 𝗌𝗒 𝗌𝗈𝗃𝖺 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝟧𝟢𝟢 𝗄𝗂𝗅𝖺𝗈 𝗂𝗌𝖺𝗇’𝗈𝗋𝖺 𝗄𝖺 𝗆𝖺𝗆𝗈𝖺𝗄𝖺 𝗆𝖾naka 𝟥𝟢𝟢 𝗅𝗂𝗍𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗂𝗌𝖺𝗇’𝗈𝗋𝖺 𝗇𝗒 𝗈𝗋𝗂𝗇𝖺𝗌𝖺. Marihana fa mamokatra 𝗏𝗈𝖺𝗇𝗃𝗈 𝟣𝟧𝟢𝟢𝟢 𝗍𝖺𝗈𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗂𝗌𝖺𝗇-𝗍𝖺𝗈𝗇𝖺 𝗌𝗒 𝗌𝗈𝗃𝖺 𝟩𝟢𝟢𝟢𝟢 𝗍𝖺𝗈𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺𝗇’𝖠𝗇𝗃𝗈𝗓𝗈𝗋𝗈𝖻𝖾. Azo antoka fa hiroborobo ny fanjifana menaka vokarina eto Madagasikara.

Analanjirofo, Androy, Bongolava # Fanaraha-maso ny vidin'entana

Nandefa iraka hidina hijery ireo tahiry sy vidin'entana tao Analanjirofo, Ambatosoa, Androy ary Bongolava ny Organe Mixte de Conception (OMC). Izany no natao dia mba hisorohana ny fanararaotana mety hitranga. Nisy ihany koa ny fanentanana mikasika ny fitantanana ireo Taniketsa indostrialy. Ho an'ny Distrikan'Ambovombe Androy manokana, miisa ireo mpandraharana sy kaoperativa naneho ny fahalianany hitantana ny milina fanodinana mangahazo ho lasa lafarinina.

Roma # Mampanahy ny fahasalaman'ny Papa Fransoa

Banga ny seza fotsin'ny Papa Fransoa tamin'ny harivan'ny Zoma masina tao Vatican. Tamin'ny ora farany mantsy dia nandray fanapahankevitra ireo tompon'andraikitra fa tsy hanatrika ny fivavahana hariva ny Papa Ray Masina, mba ho fitsinjovana ny fahasalamany. Tato ho ato izy dia mila fanampiana hatrany amin'ny vakiteny. Amin'ny ankabeazan'ny fisehoany vahoaka rahateo dia atosika amin'ny "chaise roulante" ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo