• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Mamiarisolo Studios/Missizfy/Medd
Image
Vaovao

Vaovao Paska - 31 marsa 2024: Ireo tranga mahaliana

31/03/2024 16:03 © Moov.Mg

Atolotra anao ireo vaovao nisongadina tamin'ity faran'ny herinandro ity

Toetry ny andro # Fampitandremana momba ny alondrano

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina eo anelanelan’i Toliara sy Taolagnaro vokatry ny alondrano ateraky ny varatraza. Noho izany indrindra, hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 3m hatramin'ny 4m ny haavon’ny onja.
Mihatra ny fampitandremana miloko mena eo anelanelan’i Toliara sy Taolagnaro, manomboka androany 31 marsa hatramin'ny talata 02 aprily. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana isan-tokony, mba hisorohana ny loza, indrindra amin'izao andro fety izao.

Fialan-tsasatry ny Paska : ireo toerana be mpandeha

Araka ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana manokana "Autorisation Spéciale" voaray teo anivon'ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) dia ny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’Antsirabe, ny lalam-pirenena voalohany mankany Ampefy, ny lalam-pirenena faharoa mihazo an’i Matasoa sy mizotra mankany Toamasina ary lalam-pirenena faha-4 mankany Mahajanga, no be mpivezivezy indrindra tamin’ity fetin’ny Paska ity, izay nitontona faran’ny volana no sady faran’ny herinandro lava, ka nanararaotan’ny olona nisintaka kely ny renivohitra.

Zaridainan’Antananarivo : Misokatra ho an’ny rehetra

Tsy voatery handeha lavitra raha hitsangatsagana, fa misokatra ho an’ny rehetra ireo zaridainan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra eny Ambohijatovo, Anosy, Antaninarenina, Antanimena, Andohalo ary Ambohimitsimbina, nanomboka androany alahadin’ny Paska hatramin’ny rahampitso alatsinainin’ny Paska, mba ahafahan’ny rehetra miala voly. Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy any amin’ireo zaridaina ireo, sy fanaovana fanatanjahatena, ankoatra ny voninkazo sy asa tanana mandravaka azy. Misokatra manomboka amin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva ny zaridaina, ny alatsinainin'ny Paska, amin'ny sarany 500 Ariary, mba ho fikoloana sy ho fanatsarana ny fananana iombonana.

Tontolo iainana : Andro iraisam-pirenena tsy misy fako

Nomarihina ny sabotsy 30 martsa lasa teo ny andro iraisam-pirenena tsy misy fako, tao Soanala Ambatobe. Nitarika ny hetsika fanamarihana ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina. Fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin'ny MEDD sy ny tsy miankina mahakasika ny fitantanana ny fako, fanolorana fitaovana fitantanana fako plastika ho an'ny MEDD, fanomezana « certificats » ho an'ireo orinasa vao misondrotra (Startup) misehatra amin'ny fanodinana fako miisa 33, no nentina nankalaza ity andro iraisam-pirenena ity, tao anatin’ny lohahevitra hoe : "Andraikitry ny tsirairay ny fitantanana ny fakony".

Rap Gasy : Nandao ny Tarika Raboussa i Fy

Niala tanteraka tao anatin’ny Tarika Raboussa i Tianasoa Fy Ratsisehera na i Fy, rehefa niara-nilona tao anatin’ny tarika nandritra ny 20 taona, araka ny nambarnay, omaly. Noho ny adidy aman’andraikitra sahaniny no voalazany fa antony nandraisany izany fanapahan-kevitra izany. Ny taona 2004 i Fy no niditra tao anatin’ny Tarika Raboussa, izay miangaly ny « Rap Gasy ». Ny taona 2019 izy no nanomboka nihira irery, nirona tamin’ny gadona « soul » ary nitondra ny anarana : Missiz Fy. Nitohy hatrany kosa ny fiarahany tamin’ny Tarika Rabousa nandritra izany, fa izao izy vao nanapa-kevitra ny handeha irery tanteraka.

Fandriampahalemana : Mpisolovava nisy namono tany Nosy Be

Maty nisy namono, omaly, tao Bazary kely Andavakotoko, kaominina an-drenivohitr’i Nosy Be, Rasamoelinirina Zakanarivo Andry, mpisolovava ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Nosy Be. Tamin’ny 9 ora maraina no nitrangan’izany ary teo imason’ireo vahoaka niantsena. Voasambotry ny fokonolona teo no ho eo ihany ilay nahavanon-doza ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka, raha tsy nalaky tonga ny polisy. Tsy mbola fantatra hatreto ny anton’izao vono olona izao, fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo