• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fanomanana ny fifidianana Solombavambahoaka : Nihaona tamin’ny CENI ny iraky ny OIF

21/03/2024 14:16 © Moov.Mg

Ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana Solombavambahoaka tanteraka ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI). Nandray ny iraka avy amin’ny Vondron’ireo Firenena miteny na mampiasa amin'ny ampahany ny teny frantsay (OIF) ny CENI, androany.

Vonona amin’ny tan-tsoroka

Fizaram-baovao mahakasika ny fanomanana ny fifidianana Solombavambahoaka, izay hotanterahina ny 29 mey ho avy izao, no niompanan’ny dinika nifanaovana tamin’ny delegasiônan’ny OIF, notarihin-dramatoa Micheline Calmy-Rey, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo. Nifampiresahana nandritra izany ny momba ny nampiharana ireo toromariky ny OIF nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao farany teo sy ny hampiharana izany mandritra ireo fifidianana ho avy. Nifampidinihana ihany koa ny momba ireo tan-tsoroka azon’ny OIF entina manohana ny CENI, ao anatin’ny zotram-pifidianana. Araka izany, mbola nanamafy ny fahavononany ny hanohana an’i Madagasikara, amin’ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany ireo fifidianana hatrehina amin’ity taona ity, ny OIF. Ankoatra izay dia nanao tatitra tamin’ireto delegasiôna ireto, momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy tamin’ny taona 2023-2024, ny Filohan’ny CENI, izay nanamarika fa tamin’ity indray mitoraka ity no nahitana fiakaran’ny taham-pandraisan’anjara be indrindra.

Miroso ny fanomanana ny fifidianana

Hatreto dia mizotra araka ny vinavina ny fanomanana ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny nambaran-dRandrianarisedo Dama Arsène. Ny fanofanana ny Rafitra manara-maso sy mandray ny taratasy firotsahan-ko fidiana (OVEC), eny anivon’ny Distrika izao no imasoan’ny CENI, ka ny 12 martsa lasa teo no notontosaina ny teto Antananarivo. Hiroso amin’ny fampiofanana ireo mpikamban’ny Sampana misahana ny fanisam-bato (SRMV) ihany koa ny CENI, ato ho ato. Etsy an-daniny, mitohy ny dinidinika iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana, mba ho fifampizaram-baovao sy hampitoviana ny fomba fijery, ialana amin’ilay vaovao diso sy tsy marina miely.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo