• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fizahan-tany : Vondrona fandraisam-bahiny lehibe 7 avy any ivelany, liana hampiasa vola eto Madagasikara

21/03/2024 09:24 © Moov.Mg

Manana tolotra maro karazana afaka manintona mpizahatany i Madagasikara, saingy tsy voatrandraka izany, noho ny antony maro samihafa toy ny tsy fahampian’ny lalana sy ny fahasimban’ny efa misy, ny tsy fandriampahalemana, ny fahavitsian’ny fotodrafitrasa afaka mandray vahiny… Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny “destination Madagascar”, ny fametrahana fotodrafitrasa, ho an’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana.

Fampiroboroboana ny “destination Madagascar”

Ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny fampahafantarana ireo toerana sy harena voajanahary mendrika tsidihana eto Madagasikara (destination Madagascar), ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra sy fanatsarana ny tontolon’ny fizahan-tany, no tena tanjon’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana. Araka ny fampahafantarana nataon’ity ministera ity, nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly, dia efa ao anatin’ny fifampiresahana amin’ireo mpampiasa vola, izay maniry hametraka fotodrafitrasa fizahan-tany eto amintsika, ny minisitera. Tany miisa 15, an’ny Fanjakana sy ny tsy miankina no heverina hatreto fa azo hananganana izany. 3 kosa ireo faritra antsoina hoe : “marina”, efa fantatra. Mpampiasa vola iraisam-pirenena miisa 5 no efa vonona amin’ny fandraharahana eto Madagasikara, ka mifampiraharaha amin’ny Minisitera ankehitriny, momba izany. Ankoatra izay dia misy vondrona fandraisam-bahiny lehibe avy any ivelany miisa 7 no efa naneho ny fahalianany ho avy eto amintsika.

Miharin-doha tsikelikely

Raha ny antontan’isa no jerena dia efa miharin-doha tsikelikely ny sehatry ny fizahan-tany eto Madagasikara, na dia mbola tsy tratra tanteraka aza ny isa talohan’ny valanaretina covid-19. Mihamiverina ireo tera-tany vahiny tonga mitsidika, fa mihaliana amin’ny fizahan-tany anatiny ihany koa ny Malagasy. Araka ny antontan’isan’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Mada­gasikara (ONTM), dia niisa 12 018 ny mpitsidika valan-javaboary tera-tany mala­gasy, tany amin’ny taona 2020. Tafakatra avo roa heny izany ny taona 2021, satria tonga 27 289 isa, ary mbola nitombo avo roa heny ihany koa ny taona 2022, satria nahatratra 46 965 isa. 63 897 isa kosa izany tamin’ny taon-dasa, izany hoe : tsy mitsaha-mitombo. Ny firoboroboan’ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany, izay mikarakara fitsidihana iombonana eto an-toerana, nanomboka tamin’ireny fotoana nisian’ny valanaretina ireny, no isan’ny nampiroborobo ny fizahan-tany anatiny ihany koa. Tena ilaina, noho izany ny fananganana fotodrafitrasa vaovao, hahafahana mandray ireo mpitsidika, na vahiny, na avy eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo