• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Angano sy poezia : Laharam-pahamehana ny fameloma-maso ny kolontsaina malagasy

20/03/2024 16:17 © Moov.Mg

Ankalazaina isan-taona, isaky ny 20 martsa, ny andro eran-tany ho an’ny angano. Ny 21 martsa kosa ny andro eran-tany ho an’ny poezia. Natambatra androany ny fanamarihana ofisialy ireo andro roa ireo, ho an’i Madagasikara, teny amin’ny Havoria Ofisin'ny Radio sy ny Fahitalavitra Malagasy Anosy.

Mbola liana amin’ny angano ny ankizy

Isan’ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy ny angano, izay tsy voadikan’ny teny vahiny, raha ny hevitra fonosiny no halalinina. Tantara noforonina, namboarina ho toy ny nisy, ny angano. Natao ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana izy, indrindra teo amin’ny Ntaolo malagasy, noho izy mifono anatra sy natao hanatsoahana lesona. Notantaraina am-bava ny angano fahiny, amin’ny takariva amorom-patana, eo am-piandrasana sakafo hariva. Ny zokiolona, toy ny renibe, no mpitantara angano. Natao ho fialam-boly rehefa reraky ny lahasa sy ny lalao ihany koa izy, araka izany. Niova endrika ny angano ankehitriny, saingy mbola manana ny lanjany, na eo amin’ny anatra entiny amin’ny maha-fanabeazana azy, na eo amin’ny maha-kolontsaina azy, raha ny hevitr’i Arikaomisa Randria, mpanoratra sady mpitantara angano an-tsehatra. Tena tia angano ny ankizy, hoy izy, porofon’izany ny fitiavan’izy ireo mijery sarimiaina, izay tsy inona fa anganom-bazaha. Tsy dia fantatry ny ankizy kosa ny angano malagasy, ka ilàna fanatsarana izany ary hampifanarahana amin’ny zavatra iainana ankehitriny, mba hahaliana kokoa ny ankizy.

Tan-tsoroka ho an’ny kanto

Ho an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia laharam-pahamehana ny famerenan-kasina ny kolontsaina mampiavaka ny Malagasy, hoy i Fetra Rakotondrasoava sekretera jeneralin’ity ministera ity. Ezahina, noho izany, ny fanomezana tan-tsoroka ireo mpanan-talenta, toy ny fanomezana sehatra sy toerana malalaka ho an’ireo poeta, mba hahafahany maneho ny talentany sy mifanerasera amin’ireo mpankafy azy, amin’ny alalan’ny fampisehoana. Misy ihany koa ny sampan’ny Tranombokimpirenena, any amin’ny Faritra, hahafahan’izy ireo mampahafantatra misimisy kokoa ny sehatra misy azy. Ao amin’ny Tranombokimpirenena Anosy moa dia nosokafana ny efitrano Dox sy ny efitrano Rado, ahafahana mitantara angano sy ahafahana manao fampisehoana poezia. Eo ihany koa ny Ivokolo Analakely. Ary nanomboka androany, dia naverina indray ny fitantarana angano, ao amin’ny onjampeom-pirenena, izay tafiditra ao anatin’ny famelomana hasina ny kolontsaina malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo