• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Madagascar Tourisme
Image
Vaovao

Lakandranon’i Pangalana : Efa mihamandroso ny fahafahana mivezivezy

20/03/2024 13:37 © Moov.Mg

Antoky ny fampandrosoana ny Faritra Atsinanana, hatrany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara, ny lakandranon’i Pangalana. Mitohy tsikelikely ny fanamboarana azy ary efa ampahany kely sisa ireo teboka mainty mampitaraina ny mpampiasa lakana.

Fanamboarana sy fikojakojana

Raha nisy 18 isa izany teboka mainty izany, raha miala any Toamasina mihazo an’i Mananjary, ka tsy nahafahan’ireo lakana nizotra tsara, dia 3 sisa izany ankehitriny, noho ny fanamboarana natao nanomboka ny taona 2019. Efa hirosoana ny tohin’ny fanamboarana, fa indrindra ny fisorohana ny fahasimbana vaovao indray ary ny fikojakojana. Hiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izany, satria mifototra indrindra amin’ny fambolena hazo afaka miaro ny moron’ny lakan-drano, araka ny fanazavan’ny capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, Tale jeneralin’ny Antokondraharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF). Isan’ny manimba ny lakan-drano ihany koa ny fampiasana fitaovam-panjonoana tsy ara-dalàna, toy ny vila, ka hiarahana miasa amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ihany koa ny momba izany.

Havokavoky ny toekarena

Noho ny fikojakojana efa tanterahina dia heverina fa amin’ny faran’ny taona 2025 dia hisokatra, ary ho tonga hatrany Mananjary amin’izay, ny lalana amin’ny lakandranon’i Pangalana. Tombony ho an’i Vatovavy izany, hoy ny Governoran’ny Faritra, ny Dr Randrianarison Maurice Lucien, izay nilaza fa havokavoky ny toekarena ao Vatovavy mihitsy ny ny lakandranon’i Pangalana, ankoatra ny lalam-pirenena faha-25. Mandalo amin’iny Pangalana iny avokoa mantsy ny fifanakalozana ara-toekarena rehetra, izay mitarika ny fampandrosoana ny Faritra. Ny ao Ambalafotaka, Masomeloka, Ambinanivolo, sisa ireo teboka mainty ilàna fanamboarana, mba hampizotra tsara ny fivezivezena amin’ny lakan-dranon’i Pangalana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo