• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Diplaomasia : Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara i Sina sy i Aostralia

20/03/2024 11:30 © Moov.Mg

Masoivoho roa, androany, no tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto amintsika, tamin’ny filoha Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Vaolohany ny Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina ary faharoa, ny masoivohon’i Aostralia.

Fifandraisana aman-taonany maro

Ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Madagasikara, amin’ny ankapobeny, no vontoatin’ny fitsidihana nataon’ireto masoivoho vaovao ireto, narahin’ny fanaterana ny taratasy manamarina ny fanendrena azy ireo. Raha ny fifandraisana nisy teo amin’i Madagasikara sy i Sina dia efa maherin’ny 50 taona izao no nisiany. Ny sehatra ara-barotra no tena ifampiraharahan’ny roa tonta, satria isan’ny mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara amin’izany i Sina. Nanamafy ny fahavononan’ny fireneny hanohy izany fifandraisana tsara izany Atoa JI Ping, voatendry ho masoivohon’i Sina, ka hiara-hanatanteraka ireo tetikasa azo iaraha-manao, ao anatin’ireo andry 3 lehibe ifantohan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ao anatin’ny 5 taona.

Mifototra amin’ny maha-olona

Sehatra marolafy ihany koa no hiompanan’ny fiaraha-miasan’i Aostralia amin’i Madagasikara, araka ny dinika niarahan-dRtoa Kate Helen Chamley, masoivoho vaovaon’i Aostralia eto amintsika, tamin’Atoa Andry Rajoelina, androany maraina. Saika mifototra amin’ny maha-olona avokoa izany. Isan’izany ny fiovan’ny toetr’andro, ny toekarena manga, ny harena an-kibon’ny tany, ny fampahaleovan-tena ara-toekarena ny vehivavy, ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra ary ny fahasalamana. Laharam-pahamehana iombonan’ny firenena roa tonta, izay samy ato anatin’ny ranomasimbe Indianina, ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny harena ao aminy. Isan’ny vonona hanolotra vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra malagasy ihany koa ny firenena aostralianina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo